HO RENDRIKA NY SAMBO FOZA

Efa feno ireo fepetra sy karazam-pamantarana,
Ilazana fa ny diany, tsy ho ela dia hifarana!
Jiro mena mipipika no eny an-dalana hizorana,
Manambara f’efa ho rendrika ilay « sambo fozaorana »!

Fifidianana, hatreto, mbola tsisy tokotaniny,
Fa ingahy filoha hajaina, zava-kafa no omaniny.
Toy ny olo-misavoana sy efa tsy mitehin-tany,
Fa ny fony sy ny sainy efa misidina any ho any!

Ny fitaovam-piadiana no ezahiny ho raitra.
Miaramila hiatrika ady, izay no mahataitaitra!
An’arivony indray no henoheno fa hantsoina.
(Iretsy gasy maty noana, tena iniana hadinoina!)

Nony injay fa tsy mamokatra sy tsy misy fahombiazana,
Dia miaramila no antsoina mody hiaro tanindrazana.
Ary dia mitotototo sady tena mikorapaka,
Ireo no alainy mba hiaro izato sezany efa ho tapaka!

…Efa feno ireo fepetra sy karazam-pamantarana
Hanesorana ny ratsy, fahavalom-pivoarana.
Efa indreny ry zareo manoman-tetidratsy farany,
Saingy antomotra ny fetra hifaranan’ny tantarany!

DADAN’i ZINA (09-05-23)