Tandremo ny teteza-miitatra – Andrasana ny handraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fahefana

Beharo

Tandremo fa mety ho lasa teteza-miitatra ny tetezamita raha hisy an’izany indray. Raha ny feo mandeha, mitady ny hanalava ny fe-potoana itondrany hatrany ry Rajoelina sy ny ekipany, na nanambara aza ny ministry ny serasera fa tsy mihevitra ny hanao tetezamita izany izy ireo.

Raha ny feo azo teny ifotony araka ny fanadihadiana natao: ny tany amin’ny faritr’i Diana ohatra dia nilaza mazava, fa ny fitondrana amin’izao fotoana mihitsy no mitady izay hametrahana TETEZAMITA indray, ka ho lasa TETEZA-MIITATRA mihitsy ho toy ny tamin’ny taona 2009, ka hitombo 5 taona indray raha tokony ho 2 taona fotsiny aza, izay tsorina hoy ireo nanome vaovao, fa fingana sy sakana ho an’ny mpifaninana amin-dRajoelina eo amin’ny fotoam-pifidianana. Ry zareo avy any atsinanana indray dia nanamafy, fa raha doublon sy triplon no nalaza tamin’ireny 2018 ireny, dia ilay fotoana hitondran’ny filohan’ny Antenimierandoholona hanaovana ny fifidianana, no mila arahi-maso akaiky, satria izy samy izy hatrany no efa eo, ka tsy azo antoka intsony. Mila ny firaisan-kinan’ny rehetra hoy ry zareo avy atsinanana ireto, satria efa-bolana mahery kely sisa no ho eo amin’ny fitondrana Rajoelina, nefa mety ahitana zavatra tsy ampoizina mialoha izany. Ry zareo avy any Toliara sy ny manodidina koa dia nilaza, fa fampandriana adrisa: ny fizarana moto sy bisikileta ho an’ireo manam-pahefana, ny fampidiran-drano tsy tonga volana, ny teleferika, sns… miampy fizarana vary masaka etsy sy eroa “Riz cantonnais” ka hanaovana fitokanana goavana, no fandaminan-tsaina ataon-dry zareo, ka mba hifidy ny lôranjy lokom-boasary rehefa tonga ny fotoana, toa tsy handaitra amin’ny vahoaka intsony anefa ny fampandriana adrisa ataon’izy ireo fa efa tonga saina ny rehetra amin’ny fitaka sy lainga ary habobo ataon’izao fitondrana Rajoelina izao.

Samy manana ny fomba fanentanana sy famporisihana enti-miatrika izany avokoa ny rehetra, fa ny itovizana dia ny hevitry ny filoha Ravalomanana, momba ny hijerena akaiky hatrany ny anarana sy ny lisi-pifidianana eny anivon’ny Ceni sy fokontany miandraikitra izany. Tandremo hoy ireo mpandinika akaiky ny raharaha politika, fa misy koa ireo manao fihantsiana “provocation”, mitady izay hisian’ny korontana, ka lasa tetezamita tsy fidiny na fitondrana miaramila tsy rariny eo (directoire militaire), dia lasa fahefana hafa kely, mba hanakanana an-dRavalomanana hatrany ohatra, dia lasa fanjakana tandrevaka manara-penitra eny foana no hisy eto.