Fifanentanana amin’ny fifidianana – Tonga mavitrika ny TIM Ambohidrapeto na hariva aza ny andro

Niaina

Tonga mavitrika ireo mpitarika avy amin’ny antoko TIM ao Ambohidrapeto Antananarivo Atsimondrano, momba ny fifanentanana amin’ny fifidianana ho avy, na efa hariva aza ny andro nanatanterahan’izy ireo izany fihaonana izany, afak’omaly.

Nikarakara izao fihaonana izao ny COMTIM AMBOHIDRAPETO, notarihan’ny filohany Sitraka Andriamifidy sy ny ben’ny tanàna voafidy tamin’ny antoko TIM tao amin’ity kaominina Ambohidrapeto ity, Mihary Andriatsilavo. Tao anatin’izany fivoriana izany, ny fanomanana ny fifidianana ho avy, izay hatao amin’ity taona ity. Teo koa ny fanentanana hatrany ireo mpikambana hanaramaso ny anarany ao amin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany, sy hanentana ireo mpiara-monina, mbola hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ho an’ireo izay mbola tsy nahatontosa izany.

Ankoatra izany, handray anjara mavitrika ihany koa izy ireo hampandresy ny filoha Marc Ravalomanana, amin’ny fifidianana filohampirenena hatao amin’ny fiafaran’ity taona ity.