NY FITSARANA SY NY KOLIKOLY

Kolikoly hatrany hatrany no hita be mibaribary,
Raha vao resaka mpitsara na polisy na zandary.
Ny mpitandro filaminana efa tena igagana,
Miampy izany ireo misehatra ao anaty fitsarana!

Tena zary mahatezitra ary mahalasa saina
Ny fisian’ireo voatana izay matetika afa-maina,
Fa narovan’ny vaventy ka dia lasana nitsoaka,
Ary any andafy hatrany no be vava sy mihoaka.

Misy ireo nampandosirina fa akama fozaorana.
Efa lasa vao avoaka irony didy fisamborana.
Tsy an’ireo izay manam-bola raha lazaina sy ambara,
Ireo karazan-tranomaizina eto Madagasikara!

Etsy ankilany dia misy ireo voatana tsy ara-drariny:
Tsisy zava-norobainy, tsisy zava-nangalariny.
Tena zava-tsisy dikany no antony anenjehana azy,
Nampaneno lakolosy dia indrisy niharan-tsazy!

Ireo izay fatra-pisolelaka mpanohana ny fitondrana
No mibaiko sy mifehy ny raharaham-pitsarana!
Izy ireo no avo vava sy miseho manjakazaka.
Resy tosika ny marina, ny ratsy no omena laka!

TSIMIMALO (05-05-23)