Filoha Ravalomanana tany Atsinanana sy Analanjirofo – Tsy maintsy tokony hiala ny fitondrana Rajoelina afaka 5 volana latsaka eo

Isambilo

Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ny zoma teo, teo ny fihaonany tamin’ireo olom-boafidy TIM: depiote sy ben’ny tanàna teo aloha avy amin’ny faritra Atsinanana. Ny sabotsy, nanatrika ny fivoriamben’ny RMDM faritra Atsinanana, sy ny kongresim-paritry ny TIM faritra Atsinanana i Dada. Ny alahady maraina, niaraka niombo-bavaka tamin’ny kristiana, tao amin’ny FJKM Betela Fenoarivo Atsinanana ary ny tolakandro, nanome voninahitra ny kongresim-paritry ny TIM Analanjirofo tao Fenoarivo Atsinanana.

Fahombiazana amin’ny ankapobeny ny fivoriamben’ny RMDM tao amin’ny faritra Atsinanana, sy ny kongresim-paritry ny TIM tao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, feno avokoa ny efitrano nanaovana izany, na ny tao amin’ny Magro Tanambao V Toamasina, na ny tany amin’ny Espace Saya Fenoarivo Atsinanana. Tao amin’ny renivohitry ny faritra Analanjirofo aza, feno ny tao anatiny, sy ny tany ivelan’ny toerana nanaovana ny fihaonana. Na tany Atsinanana, na tany Analanjirofo, nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny antoko TIM avy amin’ny distrika mandrafitra ireo faritra roa ireo.

Nisongadina tamin’izany, fa noho ny fahasahiranan’ny firenena sy ny vahoaka amin’izao fotoana, miantso ny filoha Ravalomanana izy ireo hirotsaka hofidiana indray hanavotra ity firenena latsaka an-katerena ity. Nasongadin’ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy ilaina izany tetezamita izany, alefaso ny fifidianana hoy izy, hahafahana manarina haingana indray ny firenena, sy ho fanavotana ny vahoaka izay tena rendrika ao anatin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana tokoa ankehitriny. Navoitrany ihany koa fa iray ihany ny Malagasy, noho izany tena fady ny fanavakavahana. Tokony ho laharam-pahamehana hoy izy ny fizakantenan’ny fitsarana. Mahakasika ny resaka fifidianana, fifidianana ho fanavotam-pirenena no ho tanterahana amin’ity taona ity. Tsy 2018 intsony koa ity 2023 ity hoy izy, tsy hanaiky lembenana amin’ny hala-bato sy ny hosoka intsony isika hoy ihany izy, na tao Toamasina, na tany Fenoarivo Atsinanana.

Ho fiomanana amin’izany dia hajoro ny KMMR, komity manohana an’i Marc Ravalomanana, ho ao avokoa ny tsy TIM, ankoatra ny TIM amin’ny fanohanana azy. Tsy maintsy miala izao fitondrana Rajoelina izao rehefa tonga ny fotoana, izany hoe afaka 5 volana latsaka eo hoy ny filoha mpanorina, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, izany dia araka ny voalazan’ny lalampanorenana. Navoitrany ihany koa fa ny kongresy dia fihainoana ny hetahetan’ny rafitry ny antoko any ifotony ary hoentina mandritra ny kongresy nasionaly ho avy. Ireo rehetra nandray fitenenana kosa avy amin’ireo distrika ao Atsinanana sy Analanjirofo dia samy nanamafy, fa reraka ny vahoaka, marary ny firenena, ny filoha Marc Ravalomanana ihany no afaka hanasitrana izany hoy izy ireo.

Nikarakara ny hetsika tany Atsinanana, ireo tompon’andraikitry ny antoko any an-toerana nahitana ny senatera teo aloha Randriantsalama Jacky, ny depiote teo aloha Voizy Blandine, ny filohan’ny DisTIM Atsinanana Andriamatoa Niaina. Ny mpitarika ny RMDM Atsinanana, ny senatera teo aloha Andriamatoa Remi, tany koa ny filoha lefitra nasionaly Pasitera Edouard Tsarahame. Tany Analanjirofo kosa, nitarika ny fanomanana ny ekipan’ny depiote teo aloha, Rasomotra, na Mananjara Fidison. Tonga tany an-toerana koa ny birao politikan’ny antoko nahitana ny sekretera jeneraly sy ny mpandrindra nasionaly: Rina Randriamasinoro, Jean Claude Rakotonirina, Julien Andriamorasata, ireo depiote TIM isany, Fetra Ralambozafimbololona, Ramboasalama Emilien, Mamy Rabenirina, Rabekijana, Fidèle Razarapiera ary ny ben’ny tanànan’Ambohidrapeto Antananarivo Atsimondrano Mihary Andriantsilavo.