EDITO 11 Mey – Fitondrana Rajoelina – Fotaka indrindra ny fitantanan’izy ireo firenena

Andry Tsiavalona

Tsy mbola nisy fitantanana firenena fotaka toy izao ataon’izao fitondrana Rajoelina Andry izao, hatramin’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay. Amin’ny ankapobeny dia efa voasoratra ao anaty Tetibola Lasitra (LFI) mifandraika amin’ny Programa Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ny fandaniana rehetra any amin’ny Departemanta minisiterialy tsirairay, ka tsy azo eritreretina ny tsy fahafahan’ny minisitera iray mandoa ny karama na tambin-karaman’ny mpiasa eo anivony. Iaraha-mahalala araka ny vaovao mivoaka, fa nanomboka nitokona indray ny mpiasa ao amin’ny Cnapmad noho ny karama roa volana tsy voaloan’ny mpitondra.

Ny mahavariana dia miverimberina izao toe-javatra izao, ka raha tsy mitokona ny mpiasa dia toa tsy fantatry ny minisitera izany lesoka tsy azo leferina izany. Tsy vao izao koa vao misy ny fitokonana ao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony, ka mifandimby ny Mpandraharaha ara-Teknika sy ny fampandehanan-draharaha (Personnel Technique et Administratif) dia izao ny mpampianatra « vacataires » indray no mitokona satria tsy voaloa ny karamany. Tsara ho fantatra anefa, fa ireto sokajina mpampianatra ireto no betsaka ny ora ampianarany, noho ny an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra.

Tsy gaga koa ny mpampiasa làlana raha toa ka simba tanteraka ny arabe an-tanàn-dehibe sy ny làlam-pirenena ary ny làlana mampitohy ny kaominina sy ny distrika, satria tsy mety anamboatra intsony ireo mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity, satria na ny efa nataony aza tsy voaloan’ny ao amin’ny minisitera miandraikitra izany ny karamany nanaovany ny asa teo aloha. Tsy fantatra izany ny nanjavonan’ny “Fonds d’Entretien Routier” (FER) rehefa navadika ho « Fonds Routier ». Mifanohitra amin’izany anefa no ataon’ny mpitondra rehefa mandany vola amin’ny fametrahana vato fototra etsy sy eroa, satria tsy toko tsy forohana ny fandaniana amin’ny fitaterana ireo depiote, ben’ny tanàna sy vahoaka hatramin’ny mpianatra ampanaovina akanjo miloko volom-boasary hitehaka sy hisaotra ny filohan’ny Repoblika.

Amam-bolana izao no efa nanao tolo-kevitra momba ny daty hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni), kanefa tsy mety mamoaka didim-panjakana manamafy izany ny filankevitry ny minisitra na dia efa neken’ny Fitsarana Ambony momba ny Lalàmpanorenana aza izany. Araka izany dia alaim-panahy ny maro sy ny mpanao politika, fa mitady hanao tetezamita hanitatra ny fahefana eo am-pelatanany ny mpitondra. Manamafy izany ny tsy fahatomombanan’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy sy tsy fahampian’ny tetibola entina manatanteraka ny fifidianana. Na dia mandà izany aza ny minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina Lalatiana Rakotondrazafy, ny tranga rehetra anefa manamarina izany. Tsy mahatoky ny mpitondra koa ny Vondrona Iraisam-pirenena, toa ny Vondrona Eropeana, noho ny tari-drano an-kilaila ny fitantanana ny vola nanampian’izy ireo ny fitondrana Rajoelina Andry nentina niady tamin’ny valanaretina Covid-19, ka tsy manome toky fa hanampy amin’ny fifidianana hatao. Matahotra fifidianana ihany koa izao fitondrana izao, satria ireo olomboafidy sy olom-boatendry nanao ny ainy tsy ho zavatra, ka nanohana sy nanentana ny vahoaka nifidy an-dRajoelina Andry tamin’ny fifidianana ny taona 2018, no nisintaka ny ankamaroany satria nahatsiaro ho voafitaka. Misy aza no sahy mandà an-kitsirano, fa tsy noho ny naha mpikambana azy tao amin’ny IRD no nahalany azy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka.

Na tiana na tsy tiana dia noho ny tahotra ireo heveriny ho mpifanandrina aminy amin’ny fifidianana, no hanomezan-dRajoelina Andry baiko ny herim-pamoretana hanakana sy tsy hanome alàlana azy ireny hamory vahoaka. Ny eo amin’ny fitondrana anefa mampifangaro ny hetsika na lanonana ara-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra. Ny tena zava-doza anefa dia hodian’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tsy hita izany kanefa fanitsakitsahana ny lalàna velona, ka tsy mahagaga raha manao fanamarihana momba izany ny Vondrona Iraisam-pirenena. Raha tsy miverina amin’ny laoniny izao fahalovana sy fibolisaran’ny fitondrana izao dia mandindona eto amin’ny Firenena ny korontana tsy hifankahitana intsony.