KMF-CNOE – Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena

Stefa

Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena hoy ny KMF/CNOE: Komity Mpanara-maso ny fifidianana, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly nahitana ny filoha nasionaliny Robert Namearson, sy ny filoha lefitra nasionaly Felix Rabekijana.

Hiroso amin’ny fanavaozana ny fampindramam-pahefana, amin’ny alalan’ny fifidianana, handraisan’ny olompirenena anjara i Madagasikara tsy ho ela. Izay lanin’ny maro an’isa eo no hitondra indray ny Firenena ao anatin’ny dimy taona. Efa tafiditra tanteraka amin’ny fotoana mialoha izany fiatrehana ny fifidianana izany i Madagasikara ankehitriny. Eo anatrehan’izany, mba hisian’ny fifidianana malalaka, ekena, handraisan’ny rehetra anjara sy hisian’ny fitoniana ary hampisehoana ny fahamatoran’ny fanaovana politika eto Madagasikara dia manao izao tolokevitra izao ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena:

Voalohany, aoka izay ny fanaovana mpikaraman’ady politika. Anisan’izany ny fampisehoana fihetsika toa mafana fo amin’ny fanohanana, ny filatsahana ho isan’ny kandida na dia fantatra mialoha, fa tsy hihoatra ny telo na dimy isan-jaton’ ny vato aza no ho azo. Ny tena tanjona anefa dia ny hivarotana vato sy hahazoana toerana fotsiny aorian’ny fifidianana. Miantso ny feon’ny fieritreretan’ny mpanao politika, ny mpanohitra sy ny hery afovoany ary ny mpitondra, mba hahay hifandamina, ka hanolotra kandida roa na telo farafahabetsany. Manampy be dia be amin’ny firindran’ny fifidianana izany sady manamora sy manatsara ny kalitaon’ny safidin’ny olompirenena, no sady manakely fandaniana ihany koa. Mihevitra ny fikambanana fa azo tanterahina izany raha tena mpanao politika tia tanindrazana sy mitsinjo ny ho avin’ny Malagasy ny mpanao politika. Azo atao ho fitaratra amin’izany ny zavamisy ao Tiorkia. Maniry ny fikambanana, mba ho kandida vokatry ny marimaritra iraisan’ny isam-pirehana no hirotsaka.

Faharoa, mahakasika ny fitakiana ny mangarahara eo amin’ny tombontsoa lazaina fa mihoa-pampana raisin’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana : tsy misy tsy milaza ary miharihary toa tafika andrefan-tànana fa mahantra ny Malagasy. Etsy andaniny anefa araka ny hita eny amin’ny tambazotran-tserasera, dia mandray vola mihoa-pampana ny mpanao politika nampindramina fahefana eto Madagasikara. Eo anatrehan’izany, ny fikambanana dia mitaky ny hamoahan’ireo lehiben’ny andrim-panjakana ny tombontsoa raisin’izy ireo avy, mba ho fantatry ny olompirenena. Manomboka any amin’ny Filohan’ny Repoblika, mandalo eo amin’ny Governemanta ary ny Antenimierandoholona sy Antenimierampirenena. Nisy ihany ireo olomboafidy nilaza tamin’ny fotoana nanaovany fampielezankevitra, fa tsy handray karama na tambin-karama rehefa mahazo fahefana. Amin’izao fotoam-pamaranana ny taompiasana izao, miantso ireny olomboafidy ireny izahay mba hilaza sy hanambara, fa tena tsy noraisiny tokoa izany karama sy tambin-karamany izany. Heverina fa ny tsy fahatanterahana na ny tsy fitenenana ampahibemaso mahakasika izany fampanantenana izany dia fitaka nahazoana ny safidim-bahoaka fotsiny.

Fahatelo, momba ny« neutralité des fonctionnaires », na tsy momba ny atsy n any aroa. Natao ho elanelana eo amin’ny mpanapakevitra politika sy ny olompirenena ny mpiasam-panjakana, fa tsy natao hanompo ny mpanao politika mandalo eo amin’ny fitondrana. Miantso ny mpiasam-panjakana rehetra, mba hanao ny asa nankinina aminy, fa tsy hiditra amin’ny fanaovana politika politisianina. Voararan’ny lalàna rahateo ny fampiasana fitaovam- panjakana : olona, fitaovana, vola sy ny sisa.. hampiasaina amin’ny raharaha politika. Tononina manokana ny mpiasam-panjakana ambony notendrena teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra.

Eo anatrehan’izany, mbola manamafy ny fitakiana ny hamoahana ny tetiandron’ny fifidianana kaominaly ny fikambanana KMF/CNOE– Fanabeazana olompirenena.