Jeunes Activistes Toamasina – Manofana tanora ho mpitarika, mpianatry ny Oniversite

Aly

Mijoro any Toamasina faritra Atsinanana amin’izao fotoana ny fikambanana tanora : Jeunes Activistes Toamasina, tarihan’ny filohany Jean Claude Rakotoatisoa. Tanjon’izy ireo amin’izao fotoana ny fanofanana tanora ho mpitarika, mpianatry ny Oniversite ao Barikadimy.

Efa andiany roa ankehitriny no nahavita fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, na leadership, ny mahakasika fifehezana ny fotoana, ny momba ny fitantanana ny mety ho fifandonana, ny momba ny lafiny serasera, ny fampivoarana ny maha-olona,… Isaky ny tapa-bolana no anatanterahan’ny Jeunes Activistes Toamasina ny fiofanana, efa tanora 100 latsaka kely no niatrika izany. Mitohy hatrany ny fandraisana tanora vaovao, hiofana momba ireo loha-hevitra samihafa ireo.

Ankoatra izany, afaka iray volana eo, hanatanteraka fivoahana, na journée récréative ivelan’i Toamasina izy ireo, sady hitsangatsangana sy hiala voly, fa hisy koa ny fiofanana ankalamanjana mandritra izany. Misokatra ho an’ny tanora rehetra tsy ankanavaka ny fiofanana, hoy ny filohan’ny Jeunes Activistes Toamasina, saingy miantefa manokana izany ho an’ny mpianatry ny Oniversite.