Mpanao gazety ao amin’ny Safidy – Nanao antso avo ho fanajana ny fahalalahan’ny asan-gazety

Rajepa

Manoloana ny tranga misy ankehitriny sy ho fihatrehana ny fifidianana dia mahatsapa ireo mpanao gazety, sy ny vondrona firaisamonim-pirenena SAFIDY, fa mivoana ny fanentanana sy ny fizarana vaovao, ka nanao fanairana mikasika ny mety ho sakana amin’ny fahalalaha-maneho hevitra sy ny famerana ny sehatra ifanakalozan-kevitra manoloana izao fotoam-pifidianana izao.

Ao anatin’ny atrikasa fanamafisana sy fifampizarana fahaiza-manao nokarakarain’ny SAFIDY, ho fanatanterahana ny fanentanana sy ny fanabeazana momba ny fifidianana, sy ny serasera ataon’ny haino aman-jery amin’ny alalan’ny famokarana fandaharana amin’ny endrika maro samihafa eo anivon’ny nasionaly, isam-paritra eo an-toerana, ireo mpanao gazety miisa 40, mpanentana ary ny teknisianina no miatrika izany, avy amin’ny haino aman-jery samihafa dia mizara ny ahiahiny momba ny:

  • Araka ny tatitra farany izay nataon’ny Reporter Sans Frontières (RSF) : mihena hatrany ny isa ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara: mitana ny laharana faha-101 amin’ny firenena 180 isika. Anisan’ny firenena voasokajy manana toe-javatra manahirana noho izany ny firenentsika satria tafiditra eo anelanelan’ny salan’isa 55 sy 70.
  • Olana amin’ny fahazoana loharanom-baovao avy amin’ny andrim-panjakana sy ho an’ny daholobe, izay tena sakana lehibe amin’ny fampiharana ny asa fanaovan-gazety ary loza mitatao amin’ny fahombiazan’ny demokrasia. Hatramin’izao dia tsy mbola lany ny lalàna momba ny fahazoana vaovao, anisan’ny andraikitra lehibe ny fitondrana ankehitriny amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina raha tsy misy fanazavana marim-pototra.
  • Ny tsy fisian’ny ANRCM (Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée) dia mijanona ho lesoka ary mety hampidi-doza mandritra ity fotoam-pifidianana ity, ka mahatonga ny tsy fanajana ny fahasamihafana ara-kevitra, ny etika, ny fitoviana ary ny fifandanjana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana.
  • Ny tsy fisian’ny andinin-dalàna mifehy ny vanim-potoana mialohan’ny fampielezan-kevitra, izay manokatra ny lalana ho an’ny mpanao politika sasany, izay maka tombon-dalana amin’ny propagandy, ary manamafy ny fampiasan’ny antoko mpomba ny fitondrana amin’ny fampiasana ny haino aman-jerim-panjakana, mba hanatanterahana ny tanjony. Ohatra ny fivohizana ireo fitokanana tetikasa samihafa.
  • Fisian’ny Haino vaky jery maro be mifamatotra amin’ny antoko polika sy ireo mpanam-bola matanjaka, dia mety hanery ny mpanao gazety maro handika ny vaovao amin’ny fomba tafahoatra araka ny tombontsoan’ny tompony, ka mety hanimba ny maha-matihanina azy ary hiteraka disadisa na fifandirana mihitsy aza.
  • Fiparitahana vaovao diso na vaovao tsy marina, manimba ny fanabeazana sy ny hetsika fanentanana amin’ny fifidianana.

Noho ny fahatsapan’ ireo mpanao gazety tafavory eto Antananarivo mikasika ny zo sy ny adidiny ary koa ny fitondran-tena tokony harahina mandritra izao fotoam-pifidianana izao ary mba hahafahana manatanteraka ny asany am-pahatoniana tanteraka, dia manentana ny mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra ny Governemanta, ireo matihanina amin’ny haino aman-jery nivory tamin’ity atrikasa ity, hanao ezaka hanarenana ireo fanitsakitsahana ireo. Hanaja ireo fifanarahana iraisam-pirenena, na isam-paritra, toy ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zon’ny Sivily sy Politika DCPI tamin’ny 16 Desambra 1966 (andininy 19), ny Satan’i Afrika momba ny zon’olombelona tamin’ny 27 jona 1981 (andininy faha-9, andininy faha-10 sy faha-11), sy ny sata afrikana momba ny demokrasia, ny fifidianana tamin’ny 30 janoary 2007. Ny fampiharana ireo no afaka hiantohana ny fanamafisana ny zon’olombelona, ny fandriampahalemana sy demokrasia eto amintsika.