Tsy misy fepetra hentitra iarovana ny zatovo sy tanora malagasy

Sôh’son

Naresaka sy nisarika ny sain’ny maro tato ho ato ny momba ny amin’ity resaka zavamahadomelina ity. Ny tena nanaitra dia ny fiparitahan’io zava-dratsy io eto amin’ny firenena ary ny zatovo sy ny tanora no lasibatra voalohany. Ny mampitahotra ihany koa sy ny ahiana mafy, dia ny fitombon’ny karazany sy heriny na ny daoziny. Efa lasa lavitra ny karazany izay misy tena mahery vaika, ary efa nisy ireo tanora malagasy namoy ny ainy vokatr’izany.

Toe-javatra mamoa-doza tsy voafehin’izao fitondrana izao izay milaza azy ho mahay lavitra mitondra firenena noho ireo hafa rehetra teo alohany ny mitranga. Efa aman-taonany maro izay no nitrangan’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fihanahan’izany teto amin’ny firenena saingy narisarisa ny famongorana azy. Tamin’izay mantsy mbola tsy lasa lavitra toy izao mitranga izao ny zava-misy hany ka naka tsy taitra amin’ny fanenjehana sy ny famongorana azy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Efa nisy ny lakolosy fanairana ny amin’ny fitrangan’izany eny amin’ireo zatovo sy tanora mpianatra tamin’ny faritra samihafa, fa zary mbola nilamindamina hatrany ny tomponandraikitra. Rehefa mahasambotra mpidoroka sy mpivarotra etsy sy eroa, dia asehoseho fa miàsa, dia vitan’izay. Tsy voakaroka anefa nandritra izany rehetra izany ny tena atidoha sy mpampiditra rongony sy mpanaparitaka izany eto amin’ny firenena. Ary tsy mbola voakaroka ziany mandraka ankehitriny isian’izaotranga efa lasa lavitra sy mamoadoza izao, fa nahoana?

Tandindomin-doza ny zatovo sy tanora malagasy tato anatin’ny taona maromaro farany izao. Tsy mampikoropaka ny fitondrana izany, fa ny mahamaika andraisany fepetra haingana, dia ny fikarohana ireo olona nikasi-tanana nanao herisetra ilay mpitondra bajajy nanao akanjo volomboasary tany Sambava satria. Eto anefa, efa ny tanora malagasy hoavin’ilay firenena mihitsy no tandindomin-doza lehibe. Iaraha-mahalala aloha, fa izao fitondrana izao, dia tsy manana politika mazava sy hentitra momba ny zatovo sy tanora malagasy. Ny hany ataony dia ny manaraka fotsiny izao onjan’ny fikorianan’ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena sy iraisam-pirenena. Midika izany, fa tsy manana fahaizana marina amin’ny fitondrana firenena izao fitondrana Rajoelina izao. Manamafy ny fiheverena fa mampanahy mafy ny lalan-kizorana sy ny hoavin’ity firenena ity, raha tsy misy fandraisan’ny vahoaka malagasy manontolo andraikitra, dia ny amin’ny alalan’ny fifidianana izany.