EDITO 9 Mey – Marary mafy ny fahefana mpitsara eto amintsika

Sôh’son

Tsy mandeha amin’izay laoniny ny fitantanana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Misafotofoto ny raharaha raha mijery ny zava-misy sy mitranga eo amin’ireo fahefana andrim-panjakana telo lehibe, dia ny fahefana mpanatanteraka, ny fahefana mpanao lalàna ary ny fahefana mpitsara. Efa niaraha-nahalala ny zava-nitranga teo amin’ireo fahefana roa voalohany ny volana maromaro lasa izay. Itsy farany kosa, efa be izay raharaha nitranga teo anivony izay, fa vao mainka nipoitra indray ny “aretiny”, ny alakamisy lasa teo teny amin’ny Fitsarana Anosy. Tsy marary fe marary fotsiny, fa tena marary mafy izany fahefana mpitsara izany eto Madagasikara.

Nisy vahoaka nihiakiaka mafy teny namaky bantsilana ny zava-misy eo amin’ny raharaham-pitsarana. Nisy anaran’olona voatonontonona mazava teny izay milaza ny resaka volabe ankifonofono sy ambadika raharaham-pitsarana. Resaka volabe izay mampihifikia ny sarambabem-bahoaka izay tsy afaka hanana na hanome izany velively, fa ny sakafo hohaniny isan’andro aza mila tsy ho hitany sy karohiny mafy mba ho velona izy.

Raha fintinina ny zava-nitranga, voahintohina indray ny fahadiovan’ny fitsarana, ary voadona mafy ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana. Fitsarana efa very hasina teo imasom-bahoaka nandritry ny taona maro, indrindra hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena no mankaty amin’izao taona diavina izao. Mazava loatra, tsy maintsy misy akony eo amin’ny vahoaka ireny zava-nitranga teny Anosy ireny na dia tsy maneho fihetsika mivantana avy hatrany mamaly aza izy. Fa raha ho rano raraka an-damosin’ny gana fotsiny isak’izay ny raharaha manahirana na maloto eto, dia hanahirana ny hisaina ny hihatsaran’ity firenena ity amin’ny hoavy. Handray leson-dratsy izay hitany sy iainany indray mantsy manoloana izany ireo zatovo sy tanora malagasy nambara mandrakariva fa antoky ny hoavin’ity firenena ity.

Efa miseho matetika ny leson-dratsy amin’ny fiainam-pirenena eto, ary tsy mitsahatra ny mitombo isan’andro izany. Misy raharaha maloto, izay zary toa tsy hita ny fanadihadiana sy raharaham-pitsarana momba izany, ary tsy hita sy voasambotra izay atidoha rangory fototry ny afo na nikotrika izany. Misy tsimatimanota miriaria tsy voakitikitika, fa ny olona anaty fanoherana hatrany no lasibatra sy tsy iandrasana ela ny fisamborana sy ny famonjana azy. Leson-dratsy miseho avokoa eo amin’ny fitantanam-pirenena ankehitriny izany, ary tsy mbola ato ho ato no hitsaharany. Maro ireo zava-tsy fahita marina hatramin’izay, fa hita ato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao.