NY MPANAO GAZETY SY NY MPITONDRA (03 MEY 2023)

Resahina foana ny fahalalahana
Saingy tsy hita mivaingana izany,
Fa misy ireo endri-panavakavahana
Atao amin’ireo tsy azo ahodina hatrany!

Mandeha ny antsojay sy karazana fingana
Raha vao miteny somary mafana?
Satria tena ezahina ho lany tamingana,
Ireo izay manohitra ny fitondrana!

Antsoina ary anaovam-panadihadiana
Ireo mpanao gazety mijoro sy sahy,
Ka laniana fotoana sy ampahoriana,
Ary atao iray kilasy amin’ireo jiolahy!

Hatramin’ny fitaovana no nosomparana,
Na koa naato tsy hampita ny feo,
Ary tena nakatona ny varavarana.
(Ampahany ireo tanisaina eto ireo!)

…Fa ny mpanao gazety dia tsy omena toerana
Tena sahaza ary koa tena mendrika,
Indrindra raha hita ho manao fanoherana,
Ka manavesatra sambo efa ho rendrika!

DADAN’i ZINA (03-05-23)