Tranga Nosamborina fa nanao akanjo miaramila i Ayo Naej

Niaina

Nosamborin’ny mpitandro filaminana teny Itaosy Antananarivo Atsimondrano afak’omaly ny mpanakanto Ayo Naej, nanao akanjo miaramila izy nandritra ny hetsika nataony nizara fanampiana teny amin’ny 67Ha ary namoaka izany ho hitan’ny maro tamin’ny tambazotran-tserasera. Noho izay antony izay no nisamborana azy, satria voararan’ny lalàna ny fanaovana akanjo, na fanamiana mitovy ny an’ny mpitandro filaminana.
Voararan’ny lalàna manankery ary sazian’ny andinin- dalàna faha-259 ao amin’ny fehezan- dalàna famaizana, ny fanaovana fitafiana mitovy loko amin’ny an’ny mpitandro filaminana eto amintsika.

Niteraka resabe tao amin’ny tambazotran- tserasera FB hatramin’ny afak’omaly ny sary navoakan’i Ayo Naej, izay nanamafisany fa tsy an’ny mpitandro filaminana, fa an’ny leziônera frantsay ilay fanamiana nanaovany. Nandray fepetra avy hatrany anefa ny mpitandro filaminana, ka nikaroka ity lehilahy ity. Vokany, voasambotra teny Itaosy i Ayo Naej, nogiazana ilay fitafiana teny aminy ary natao andrimaso eny amin’ny mpitandro filaminana ny tenany.

Mbola mitohy ny resaka momba ity raharaha ity hatramin’izao: rehefa iza izany dia samborina, dia rehefa iza dia tsy samborina? Tsaroan’ny maro ny mpanakanto Rossy namoaka ny sariny nanao fanamiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana, Ramatoa Rinah Rakotomanga koa fony izy talen’ny fifandraisana tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, efa namoaka sary niakanjo akanjon’ny mpitandro filaminana, nefa vitavita ho azy teny izany. Misy fitondra-mitanila mihitsy eto amintsika, hoy ireo naneho hevitra momba ity raharaha ity.