Antoko TIM Toliara – Tontosa ny fihaonana tamin’ny mpitarika TIM any Androy

Isambilo

Manohy hatrany ny fanentanana sy ny fanetsehana ary ny fameloma-maso ny antoko Tiako i Madagasikara any ifotony, ny mpitarika an’ity antoko ity. Tontosa tamin’ity herinandro ity ny fihaonana teo amin’ny mpitarika ny antoko any Toliara, tarihan’i Me Elisoa, sy ny mpitarika ny antoko TIM any amin’ny faritra Androy. Nahatonga solontena avokoa ny mpitarika ny antoko avy amin’ny distrika mandrafitra ity faritra ity, toy ny avy ao Ambovombe, Beloha, Tsihombe, ary ny avy any Bekily. Niatrika izany koa ny solontenan’ny tanora sy ny vehivavy avy amin’ireo distrika ireo.

Nandritra izany no nanentanana ny rehetra ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho avy, indrindra ny momba ny fifidianana filoham-pirenena. Fiomanana tsara indrindra amin’izany hoy Me Elisoa sy ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, ny fanamarinana izany anarana voasoratra izany, ary ny fandatsahambato rehefa tena tonga ny fifidianana.