Kongresim-paritry ny TIM – Tsy ho latsa-danja ny any Analanjirofo sy Atsinanana

Isambilo

Ho tanterahana ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny kongresim-paritry ny antoko TIM any Atsinanana, sy any amin’ny faritra Analanjirofo. Ny sabotsy izao no ho tanterahana any Toamasina ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara any Atsinanana, ny alahady 7 mey kosa ny kongresim-pritra ho an’Analanjirofo. Efa miomana ny amin’ny ho fandraisana izany fotoan-dehibe izany ny any Analanjirofo tarihan’ny depiote teo aloha Rasomotra, na Mananjara Fidison.

Efa miomana izy ireo amin’ny handraisana ny KONGRESIM-PARITRA ANALANJIROFO ao Fenoarivo Atsinanana. Ny any amin’ny faritra Atsinanana koa dia efa miomana amin’ny fandraisana izany hetsika izany. Sabotsy mifankahita, hoy ny mpitarika any an-toerana tarihan’ny depiote teo aloha Voizy Blandine, ny Dis-TIM Toamasina Andriamatoa Niaina, ary ny filoha lefitry ny antoko any Toamasina ny senatera teo aloha Jacky Manambola.