Neny Lalao Ravalomanana 70 taona omaly 3 mey

Stefa

70 taona omaly 3 mey i Neny Lalao Ravalomanana, izy no vadin’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Izy no vehivavy voalohany voafidy ho ben’ny tanànan’Antananarivo, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tamin’ny fotoana tsy naha teto an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana, efa saika hirotsaka ho filohampirenena i Neny, saingy nahiliky ny rafitra manokana nisahana ny fifidianana tamin’izany fotoana, toy ny kandidà vitsivitsy hafa, satria tsy nipetraka enimbolana teto an-tanindrazana tamin’izany fotoana izany. Tao aorian’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009, nialokaloka politika tany Afrika Atsimo i Neny sy ny filoha Marc Ravalomanana.

Izy no tafody aloha teto an-tanindrazana tamin’izay fotoana izay, nefa tsy ampy enimbolana ny nipetrahany teto, ka tsy nahafahany nirotsaka hofidiana io tamin’ny taona 2013. Tao aorian’izay anefa ny taona 2015, afaka nirotsaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo, ka izy no lany ho Andriambavilanitra voalohany nitondra ny renivohitra Antananarivo. Andraikitra izay tontosany soa aman-tsara, na teo aza ny sakantsakana politika samy hafa, toy ny tsy nanomezan’ny fitondrana tamin’izany ny fanampiana tokony ho azon’ny kaominina niadidiany. Eo amin’ny andavanandrom-piainana kosa, mpitantana orinasa i Neny, mitantana sy manara-maso ny orinasa Tiko sy Magro.

Nanoloana ny tsingerin-taonany omaly io, nisy ny fanambarana fohy nataon’i Neny Lalao Ravalomanana: “misaotra an’Andriamanitra lehibe, fa noho ny fahasoavany dia nahatratra izao faha-70 taona izao. Mankasitraka antsika rehetra tamin’ny fitrotroana am-bavaka sy ny firariantsoa. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra,” hoy izy.