Ny Valosoa sy Hadihady – Tsy misy azo antenaina intsony, tsy manam-bola ny fitondrana

Andry Tsiavalona

Tsy manga masaka ka domina fotsiny dia miraraka, araka ny famaritan’ny namana azy, izao fitondrana Rajoelina izao, fa efa « tena lo » mihitsy satria ankoatr’ireo tranga maro nanala baraka azy dia mihombo tsy misy fiafarany ny aretina mikiky ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra.

Nankalaza ny fetin’ny asa ny sendika misy eto amin’ny Nosy ny alatsinainy 1 Mey lasa teo na dia efa saika tsy nahazo alàlana nanao izany aza. Azo lazaina fa betsaka ny nanoina ny antso ary betsaka ihany koa ny fitakiana izay mifandraika amin’ny toe-draharaha iainan’ny mpiasa malagasy. Raha fintinina dia marary ny sehatry ny asa eo amin’ny lafiny rehetra kanefa tsy mbola ahitan’ny fitondrana vahaolana hatramin’izao.

Rehefa nandray ny fitantanana ny Firenena Rajoelina Andry dia nanontany ny vahoaka, raha mahavelona ny karama ary toa ireny efa nanana paikady matotra hampisondrotana izany izy. Tsy nitsahatra ny nisondrotra ny vidim-piainana kanefa tsy miakatra hoentina hiatrehana izany ny karama. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny ankohonan’ny mpiasa isan’andro izany, tsy ny eo anivon’ny mpiasam-panjakana ihany, fa any amin’ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina ihany koa.

Tsy ny karama ihany no miteraka olana, fa tsizarizary ihany koa ny fitsaboana satria na dia misy aza ny ivon-toerana ara-pitsaboana sy sosialy dia tsy maintsy mividy fanafody izay marary kanefa efa tsy takatry ny fahefa-mividy intsony izy ireny. Raha mangataka ny fanonerana ny vidim-panafody anefa ny mpiasa dia amin’ny ankapobeny dia miandry aman-taona izany.

Arak’izany dia mitaky ny hanavaozana hifanaraka amin’ny zava-misy iainana ny Lalàna Mifehy ny Mpiasam-panjakana (Statut Général des Fonctionnaire), sy ny Lalàna mifehy ny Asa (Code de Travail) ny mpiasa na ny miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Efa aretina homamiadana mihitsy no mikiky tsikelikely ny sehatry ny asa eto Madagasikara, ka mila fitsaboana, ka mitaky ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny toetsaina mikatsaka ny tombontsoa iombonana, satria raha miaina ara-dalàna ny mpiasa dia mamokatra tsara eo amin’ny sehatra misy azy dia hiteraka fampandrosoana ny Firenena izany. Tsara ny fitakiana ary tsy maintsy atao izany kanefa ny fitondrana ankehitriny dia variana amin’ny rendrarendra manaitra ny maso sy manao fandanindaniam-poana, kanefa tsy manam-bola intsony koa, ka tsy misy azo antenaina ny hahazoana fahafaham-po amin’ireny fitakiana ireny.

Anisan’ny aretina mikiky ny sehatry ny asa ihany koa ny kajikajy politikan’ny mpitarika izay manana ny tanjona kinendriny ihany koa. Iaraha-mahalala fa ny sendika, amin’ny ankapobeny, dia rantsana iray eo anivon’ny antoko ka voatery manaraka ny toromariky ny antoko misy azy arakaraky ny toe-draharaha politika iainana sy ny fironana ara-politikany. Misy sendika efa nijoro hatramin’ny Repoblika I ary nanana mpikambana sy solontenan’ny mpiasa (délégué du personnel) any amin’ny orinasa any ary afaka niady ho an’ny mpiasa na teo anivon’ny orinasa na teny amin’ny Fitsirihana ny Asa (Inspection de Travail) na teny amin’ny Tribonalin’ny Asa, fa tsy mbola manana ny hery hoenti-manohitra ny mpampiasa ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara, satria amin’ny ankapobeny dia misy sendika roa na telo eo anivon’ny orinasa iray, ka tsy misy firaisankina eo amin’izy ireny manolohana ny toe-draharaha iray.

Marary ihany koa izany ny sendika eto Madagasikara, ka mila fitsaboana ny paikady hoentina amin’izany dia tsy tokony hiankina amina antoko ny sendika, fa ny mpiasa eo anivon’ny orinasa no manangana izany ka ny tombontsoan’ny mpiasa marina tokoa araka ny voafaritry ny lalàna no hanjaka, fa tsy izay paikadin’ny antoko mety nanangana azy. Raha matanjaka ny sendika sady miray hina ka izay tranga misy any amin’ny toeram-piasana iray tsy mifanaraka amin’ny lalàna dia azo inoana, fa hihetsika daholo ny sendika rehetra hanohitra izany ka tsy hanao « vain-drahalahy tsy maharary » toy ny nisy hatramin’izay intsony fa ho « tànan-kavia sy havanana, ka izay didiana maharary ».