EDITO 4 Mey – Mangotraka ny ao Tsimbazaza

Isambilo

Tsy mafana fotsiny intsony, fa tena mangotraka sy mandevy mihitsy ny ao Tsimbazaza, amin’izao anatanterahana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ity andrimpanjakana ity amin’ity taona 2023 ity izao.

Nanomboka ny talata teo tokoa ny fivorian’ny Parlemanta eto amintsika dia ny Antenimierandoholona, sy ny Antenimierampirenena izany. Raha ny etsy Anosikely aloha, tsy mahaliana ny rehetra ny fivoriana ao, satria saika olon’ny fitondrana avokoa no ao, tsy misy ny ady hevitra, fa ny baiko avy any ambony ihany, no tsy maintsy tanterahana ao. Tsy toy izany kosa ny eny Tsimbazaza, satria any foana no tompon-teny farany amin’izay lalàna, na zava-dehibe mahakasika ny fiainam-pirenena tokony ho tapahina, ary azo lazaina ho tena misy ny ady hevitra ao, satria misy ireo ankolafin-kery samy hafa ao amin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity.

Hangotraka ny fivoriana ao mandritra ny roa volana, satria miady an-trano ny mpomba ny fitondrana, miady an-trano toy izany koa ireo depiote mpomba ny fitondrana. Ao no mbola mifikitra amin’ny filoha Andry Rajoelina, ao ireo miara-dia amin’ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko. Ny mpanohitra koa dia anisan’ny manana solombavambahoaka betsaka ao Tsimbazaza dia ny antoko TIM izany, ka tena handevy tokoa ny ady hevitra ao, samy hanakiana mafy ny tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao avokoa na ny depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana nisintaka aminy, na ny depioten’ny fanoherana.

Ny fanatrehan’ireo masoivoho vahiny ny fotoam-panokafana ny talata lasa teo koa dia misy dikany lehibe, tsy mbola nisy izany hatramin’izay, heverina fa ny hampanara-dalàna ity andrimpanjakana ity, ka hanao ny asa tena tokony hosahaniny dia ho arofanin’ny mpanatanteraka, fa tsy ny mifanohitra amin’izany, toy ny hita tao ho ato no ataony.