ANTSO HO ANAREO MPITONDRA (fetin’ny asa : 01 may 2023)

Mpiasa efa refona sy tena lanaka
F’efa tsy mahavelom-bady aman-janaka,
Izay ry mpitondra no tiana ampitaina
Ka mieritrereta ary mbà tonga saina!

Mandeha tsy azo tanana anie itony lera,
Ka dia aza faly ny mihoerahoera
Fa jereo ny mpiasa ary henoy ny tarainany.
Akaro , asondroty izay mba fari-piainany!

Mieritrereta ary aoka ho tadidy
Fa « mpiasa » no maro amin’ireo izay hifidy,
Ka raha « mody maty » ianareo eny ambony
Dia ny entanareo no avy dia ahoròny!

Kapoakan’ny vary aza tsy ho voavidy,
Fa mpiasa efa tena misotro mangidy
No misy amin’izao ka dia diniho ihany.
Aza andrasana hipoaka ny sarom-bilany!

…Ny momba ny mpiasa no ‘ndeha hatsarao
Raha maniry ny mbola hamahatra ianao,
Fa ny mpiasa efa leo ary tsy mila intsony
Mpitondra tsy vonon-kiaro ny zony!

TSIMIMALO (01-05-23)