Faritra Sofia – Fahombiazana ny kongresim-paritry ny antoko TIM

Isambilo

Na tany amin’ny faritra Sava, na tany amin’ny faritra Diana, na tany Sofia, fahombiazana ny dian’ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, tany amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny. Ireo toerana rehetra nolalovany dia samy niantso an’i Dada avokoa ireo vahoaka marobe tamin’ireny toerana ireny, niantso izy ireo ny filoha Marc Ravalomanana hanavotra indray ny vahoaka sy ny firenena Malagasy, izay latsaka an-katerena tanteraka amin’izao fotoana, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina. Ny filazana fa « champion » ity filoha ity amin’ny sehatra samy hafa ankehitriny, ataon’ny vahiny hoy ny maro nandritra izany dia karazany fanesoana ny filoha Rajoelina ihany, fa « champion » ny fanapotehana sy ny lainga, izy sy ireo mpiara-dia aminy.

Fahombiazana toy izany ihany koa ny kongresim-paritry ny antoko TIM, izay natao tany amin’ny faritra Sava, tany Sambava, sy ny notanterahana ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny faritra Sofia, tany Antsohihy. Maro ireo mpikatroka tonga avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Sofia, nahatonga solontena avokoa izy ireo dia ny avy amin’ireo distrika 7 mandrafitra ny faritra dia : Mampikony, Boriziny, Ananalalava, Antsohihy, Befandriana Avaratra, Bealanana ary Mandritsara.

Feno hipoka ny tokontanin’ny Magro tao an-drenivohitry ny faritra Sofia ny sabotsy teo. Niray feo izy ireo, niantso ny filoha Marc Ravalomanana hirotsaka hofidiana indray, hanavotra ny vahoaka Malagasy sy ny firenena, izay tena sahirana tokoa amin’izao fotoana. Hifanampy sy hifanome tanana isika ho amin’izany hoy i Dada. Hohatevenina sy hohatsaraina ny fitsinjaram-pahefana tena izy, izay efa natomboka tamin’ny fotoana nitondrany. Lalana ho amin’izany koa hoy izy, ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana : fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ho an’ny mbola tsy nahatontosa izany ary ny fanamarinana, sy ny fanaraha-maso ny anarana sy izany lisi-pifidianana izany, izay hita fa misy mitady hanao hosoka hanatanterahana hala-bato sahady, amin’ny fifidianana ho avy.