Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa – Mila asa sahaza azy ny Malagasy rehetra, hifanampy isika hoy Ravalo

Isambilo

Noho ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa omaly 1 mey, niarahaba ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka manerana ny Nosy ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM sy filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Nambarany fa : “zotra tokana miantoka ny fandrosoan’ny Firenena iray ny fananan’ny Olom-pirenena ao aminy ASA SAHAZA. Ivelaran’ny maha olona sy ny olona manontolo izany, satria tsy ny Olombelona no natao ho an’ny Asa fa ny Asa no natao ho an’ny Olombelona. Koa dia mirary soa anareo mpiasa rehetra eto Madagasikara ny tenako amin’izao andro manerantany ho an’ny asa izao. Fa indrindra ihany koa mirary ny soa sy ny tsara ho an’ny Malagasy rehetra izay mbola eo am-pikarohana ny Asa sahaza ho azy. Mafy sy sarotra ny iainanareo, fa aza manary toky hifanampy sy hifanome tanana isika satria antoka lehibe handresena ny fahantrana ny famoronana Asa. Miasà, miasà tsara, miasà mafy.”