Fetin’ny asa omaly – Hakaro ny fahefa-mividin’ny mpiasa hoy ireo sendika

Andry Tsiavalona

Azo lazaina ho fahombiazana ny hetsika nataon’ireo sendika omaly, nandritra ny fankalazana ny 1 mey. Maro no namaly ny antso tamin’ny filaharambe nataon’ireo sendika niainga avy eny Ankorondrano, ka hatreny Alarobia, izay nivorian’izy ireo. Maro ireo fitakiana nanterin’ny sendika nandritra izao fankalazana izao: tsy tokony hahena ny karama farany ambany eto amintsika fa tokony ho 250.000 Ar ihany, mila hatsaraina ny tontolon’ny asa amin’ny ankapobeny eto amintsika, ratsy ny fahefa-mividin’ny mpiasa ankehitriny ka mila hakarin’ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny politika maty paika fa tsy toy ny amin’izao fotoana. Avoahay koa hoy izy ireo sendikalista migadra tsy ara-drariny. Momba ny olan’ny orinasa Cnaps, mitaky ny hametrahana tena mpitantana izy ireo, fa tsy ho mpitantana vonjy maika toy izay nandritra ny 8 volana izay.

Tsy mitovy ny mari-karama

Isan-taona tokoa dia tsy maintsy mankalaza ny 1er Mey, fetin’ny asa, ny mpiasa Malagasy ary manamafy izay fitakiana efa napetraka teo anivon’ny fitondrana nifandimby, kanefa dia toa tsy nisy izany fitohizan’ny asam-panjakana izany. Maro ny sendika nitsangana nandritra izay enimpolo taona mahery namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay. Nisy tamin’izy ireny no nivaky roa tamin’ny Revolisiona Sosialista ary nisy koa vaovao nitsangana, satria raha tsy antoko teo anivon’ny Mandatehezana Miaro ny Revolisiona dia nitsipozipozy na foana tanteraka mihitsy. Tsy azo lavina koa anefa, fa nisy ny tsy nijanona tamin’ny fampiroboroboana ny sendikany. Nisy hatrany anefa ny fanavaozana ny Lalàna Mifehy ny Asa (Code de Travail) teo amin’ny sehatry ny tsy miankina ary toy izany koa ny « Statut Général des Fonctionnaires ». Nanangana ary namolavola Sata Manokana (Satut Particulier) ny mpiasam-panjakana nivoaka tamin’ny Sekoly Ambony manofana mpiasam-panjakana. Tsy mitovy ny mari-karama ho an’ireo mpiasam-panjakana isan-tokony, na dia mitovy aza ny taom-pianarana niofanana. Na dia ireo sekoly manofana manamboninahitra eny amin’ny Akademia Miaramila, sy ny Polisim-pirenena aza dia tsy mitovy ny mari-karama ho an’ireo vao mivoaka. Misy izany koa eo anivon’ny mpiasam-panjakana teknisiana, sy misahana ny fampandehanan-draharaha na dia samy eo anivon’ny minisitera iray aza. Tsy azo lavina fa miteraka tsy firaisankina izany toe-javatra izany, ka raha mitokona ny iray dia tsy manohana ny ankilany. Nisy tsirim-piraisankina taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 rehefa nampiharina teto amin’ny Firenena ny « Tondro Zotra » novolavolain’ny Vondrona Iraisam-pirenena, ka nitsangana ny governemanta nisy ireo an-kolafin-kery rehetra. Nitsangana mirazotra tamin’izany ilay natsoina « Grands Corps », izay namoaka fehinkevitra tamin’ny fampiakarana ny karama farany ambany sy fampitoviana ny marikarama rehefa mitovy ny faharetan’ny fiofanana na sekoly taiza na taiza ny mpiasa no nivoaka na teto amin’ny Nosy na tany ivelany. Tsiahivina, ny injeniera nivoaka tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika eto Madagasikara dia tsy nitovy marikarama ny mpiana-draharaha raha noharina tamin’ny injeniera niofana tany amin’ny Firaisana Sovietika tamin’izany fotoana izany. Niady ny teto an-toerana ka dia samy Sokajy 8 (Catégorie VIII) rehefa nahavita fianarana. Nandritra ny tetezamita dia toa nisy tokoa ny firaisankinan’ny mpiasa nivondrona tao amin’ny Grands Corps kanefa toy ny zavatra niainan’ny Malagasy, amin’ny ankapobeny, na eo amin’ny sehatra inona na sehatra inona dia misy hatrany ny mivadika na mamadika ny namany rehefa tsy mahatohitra ny mena miraviravy. Very an-javony ny fivoriana maro nandaniana herin-tsaina sy herim-batana ary vola ka niraviravy tànana ny mpiasa Malagasy satria amana hetsiny maro ireo mpiasa very asa tamin’izany fotoana izany kanefa tsy nifantoka tamin’ny fanerena ny mpitondra tamin’izany hamorona asa ho azy ireny.

Ho matotra sy ho hentitra ny fitakiana

Niverina teo amin’ny fitondrana Rajoelina Andry ary niezinezina ny fanontaniana napetrany tao amin’ny Palais des Sports” : manana asa ve ny tanora ? Ampy ve ny karama ? Rehefa lany ho filohan’ny Repoblika izy dia heverina, fa tokony nijoro ny sendika rehetra na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona nitaky ny nanatanterahany ny toky nomeny. Taona vitsivitsy izao dia nampanantena indray ny filohan’ny Repoblika, fa hasondrotra ho dimy alina sy roa hetsy ny karama farany ambany eny amin’ny toeram-piasana tsy miankina. Tsy mbola mihàtra aloha izany hatramin’izao ary nihena indray aza, ka omaly no nanao hetsika ny sendikan’ny mpiasa, na any amin’ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny fantatra dia ho matotra sy ho hentitra ny fanamafisana izay fitakiana rehetra efa nataon’ny sendika, indrindra eo amin’ny famoronan’ny mpitondra asa, satria voalaza fa « tompondaka amin’ny fananganana indostria » ny filohan’ny Repoblika ankehitriny. Toa anaram-boninahitra fanesoana azy ihany anefa izany, ka tsy dia misy antenaina loatra aminy ny amin’izay ho famoronana asa izay. Ny fanantenana dia tsy ho voazarazaran’ny fitiavantena sy ny tombontsoa manokana intsony ny mpitarika sendika, fa hivondrona sy hiray hina ary tsy hikatsaka afa tsy izay mahasoa sy hiaro ny mpiasa amin’ny tsy rariny sy fandrahonana ataon’ny mpampiasa kanefa dia milefitra tsy fidiny satria mafy ny fiainana.