EDITO 2 Mey – Manakaiky ihany ny fotoana tokony hialan’i Andry Rajoelina

Ny Valosoa

Araka ny tetiandro navoakan’ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ary efa nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), na mbola tsy namoaka ny didim-panjakana manaika ny mpifidy handatsa-bato aza ny governemanta, amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy eto amintsika tokony hatao eto amintsika amin’ity taona ity, efa miha-manakaiky ny fotoana tokony hialan’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny toerany.

Raha ny 9 novambra no novinavinain’ny CENI fa hanaovana izany fifidianana izany, ny 9 septambra farafahatarany no tokony hametra-pialana ny filoha am-perinasa, ny filoha Rajoelina, raha hirotsaka hofidiana izy, ary hirotsaka hofidiana izay tokoa izy raha ny fitsidiham-paritra nataony tato ho ato no dinihana sy fakafakaina, satria efa manao fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ny tenany.

Efa mandeha ny fanerena an-kolaka ireo tompon’andraiki-panjakana na olom-boafidy hanohana azy amin’izany fifidianana izany. Nomena fiara 4 x4 ireo lehiben’ny distrika, nomena moto ireo ben’ny tanàna, farany teo, nahazo bisikileta koa ireo sefo fokontany ary nampanaovina akanjo miloko volon-daoranjy misy ny sarin’izy filoha amin’izao fotoana. Ireo zavatra nomena ireo voavidin’ny fanjakana hoy ny maro, fa ny vola hividianana soliky ny Jirama hampihenana, na hanafoanana ny delestazy tsy hitany.

Momba ity raharaha ity, efa tsy tahotra tsy henatra ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra. Hatreto tsy andrenesam-peo na kely akory aza mikasika ireo fandikan-dalàna mibaribary ireo ny CENI sy ny HCC, toa minia manampi-maso sy manentsin-tadiny tanteraka momba izao zavatra tsy mety ataon’ny fitondrana mialohan’ny fifidianana izao izy ireo. Na izany na tsy izany aloha, 5 volana latsaka eo sisa, na any amin’ny 140 andro any ho any dia tsy maintsy tokony hiala ity filoha mpandainga sy mpanimba firenena ity, heverina fa tsy hisy loatra intsony ny hanaraka ny baikony amin’izay fotoana izay. Eo isika mahita izy.