TSY ANAREO NY AMPITSO

Lany tamin’ny rendrarendra ve ny volam-panjakana,
Ka manodin-tsaina sisa ny ao anaty fitondrana?
Tena iniana tsy havoaka irony datim-pifidianana,
Fa vao hindram-bola indray satria manify ny eo an-tanana?

Ny vahoaka raha izany no atao tohatra hitsahina,
Ka gejaina tsy hitaraina sy mazàna no fitahina?
« Vary saosy » no anambazana ireo mahantra faraidiny,
Dimy arivo no ividianana izay mba zo aman-tsafidiny?

Tsy hoe hitondra vahaolana no hitetezana ireo faritra,
Fa hihoerahoera hatrany, izay no hany mahafinaritra?
Ary dia « kodiaran-droa » no nozaraina tato ho ato,
Ho an’ireo hiketriketrika ny hosoka sy ny hala-bato?

Lany tamin’ny rendrarendra ve ny vola teo an-tanana,
Sa nomena nanambazana ireo mpanomam-pifidianana?
…Andronao aloha ny anio, ianao mirehaka eny ambony,
Saingy raha ny ampitso kosa, tena tsy ho anao intsony !

DADAN’i RIANA (26-04-23)