TIM Fianarantsoa – Miroso ny fananganana birao manerana ny Boriboritany miisa 7

Stefa

Manamafy sy manetsika ny eny amin’ny fototra amin’izao fotoana ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any Fianarantsoa, renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony, tarihan’ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko any Fianarantsoa Dr Elysé Zanabahoaka.

Nambaran’ity mpitarika ity fa:”miroso ny fananganana ny biraon’ny antoko Tiako i Madagasikara, manerana ny Arrondissement, na ny Boriboritany miisa 7 eto amin’ny distrikan’i Fianarantsoa Renivohitra. Arahina fiofanana, hanatsarana ny fahaiza-manao hitarihana ny antoko izany”.

Tsy adinon’izy ireo ihany koa ny manentana ireo mpitarika, hanentana ny mponina any amin’ny misy azy avy, hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ho an’ireo mbola tsy nahavita izany, ary hanamarina ny anarany ao anatin’izany lisitra izany, ho an’ireo efa nahavita.