Olan’ny Jirama – Tsy ho voavahan-dry Rajoelina mandra-pialany afaka 140 eo

Ny Valosoa

Samy mahita sy mahatsapa amin’izao fotoana ny olom-pirenena, tsy ny eto an-drenivohitra ihany, fa saika manerana ny Nosy mihitsy, fa tsy ho voavahan-dry Rajoelina intsony ity olan’ny orinasa Jirama ity mandra-pialany eo afaka 140 eo. Tsy ho voavahan’izy ireo intsony ity resaka fahatapatahan-jiro ity, na ny delestazy izany. Andro maromaro izao, saika tapaka avokoa ny jiro tamin’ny tanàn-dehibe maro teto amin’ny Nosy, tsy mba ora vitsy izany no tapaka, fa misy dia iray andro tontolo mihitsy, na iray alina tontolo mihitsy. Ny antony araka ny voalaza dia tsy mety hanome solika ny fitondrana sy ny Jirama intsony ireo kaompanian-tsolika, satria tsy voaefa ny ampahany betsaka amin’ny volan’izy ireo. Ho an’ireo mpiasam-panjakana, izay afaka maka solika eny amin’ny toeram-pitsinjarana solika amin’ny alalan’ny karatra, tsy mety mandray izany ihany koa ireo kaompania mpivarotra solika, satria tsy voaloan’ny fitondrana izany, amin’ny alalan’ny tahirimbolam-panjakana. Efa toa tsy manam-bola intsony izao fanjakana izao, ka asa izay hiafarany mandra-pialan’izy ireo afaka 5 volana latsaka kely eo. Momba ny delestazy, tsy ampy ankehitriny ny gazoala an’ny Jirama, satria tsy mety manome solika izay intsony ireo kaompanian-tsolika, raha tsy aloa mialoha ny vola.