Depiote Rastany sy TIM Boriborintany II – Manohy ny fanentanana hanamarinana ny lisi-pifidianana

Stefa

Manohy ny hetsika fanentanana amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, sy fanaraha-maso izany lisi-pifidianana izany, ny depiote avy amin’ny antoko TIM ao amin’ny Boriborintany faha-2, Randrianarisoa Stanislas, na depiote Rastany, sy ireo mpikatroka ao TIM ao amin’ity Boriboritany ity. Ny fokontany Andohanimandroseza no anisan’ny nanaovan’izy ireo hetsika tamin’ity herinandro ity.

Mbola misy ny fotoana koa dia manentana hatrany ny mponina ao an-toerana ny TIM Boriborintany faha-2 hijery ny anarany ao anaty lisitry ny mpifidy, mba tsy ho very zo rehefa tonga ny fotoam-pifidianana ary manentana ireo mbola tsy nisoratra anarana hanatanteraka izany.

Raha ny tarehi-marika, somary mbola latsaka ny mpifidy nisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra, mahatonga izao hetsika fanentanana ataon’ny antoko TIM izao.