Lenoble sy Ahmad voaantson’IGE sy Bianco – Fanapotehana ny Zanak’i Mahajanga no ataon’ny fitondrana

Ny Valosoa

Araka ny vaovao azo avy amina Zanak’i Mahajanga, ivondronan’ny avy amin’ny faritra Sofia, Boeny, Betsiboka ary Melaky; sy ny feo amin’ny tambazotran-tserasera facebook, antsojay sy ramatahora ary fanapotehana atao amin’ny Zanak’i Mahajanga, izao niantsoana an’i Pierre Lenoble eny amin’ny IGE izao, sy ny fiantsoana an’i Ahmad Ahmad any amin’ny Bianco Mahajanga izao. I Lenoble dia zanaky ny faritra Sofia, Ahmad kosa dia zanaky ny faritra Melaky.

HCDDED

I Pierre Lenoble filohan’ny HCDDED dia voaantso teny anivon’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat), teny Antaninarenina, omaly tamin’ny 10ora maraina. Tsiahivina, ny Filankevitra Ambony ho amin’ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fanajana ny toetra fototry ny fahefana, ny demokrasia sy ny fanajàna ny Fanjakana tan-dalàna, ny fanaraha-maso ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon’olombelona eto amintsika. Tao anatin’izany andraikitra izany, no nangatahan’izy ireo ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ny mahakasika ny fombafomba nandravana ny fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra, izay solombavambahoaka 105 no nanao sonia azy.
Taorian’izay, dia nangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, indray koa ny HCDDED, ny mety ho fandikan-dalàna nataon’ny Filoham-pirenena, raha nampiantso ireo Solombavambahoaka hiaona taminy.
Najanon’ny fitondrana mpanantanteraka ny asan’ity sampandraharam-panjakana ity, rehefa nolazainy fa tapitra ny fepotoam-piasany ny 23 martsa 2023, dimy taona taorian’ny nanendrena ireo mpikambana tao aminy.
Tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’ny filohan’ny HCDDED, Pierre Lenoble NAVONY, tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, no nanazavany, fa tsy tapitra tamin’ny volana martsa 2023 ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny HCDDED, fa amin’ny septambra 2023, satria ny fiandohan’ny fotoam-piasana dia ny andro nandraisana ny andraikitra. Tsy levon’ny vavon’ny fitondrana Rajoelina ny fanambarana nataon’i Lenoble, ka izao anenjehany azy izao mahakasika ny resaka nitantanany ity HCDDED ity.

CAF

Ankoatra izany, antsoin’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) Mahajanga kosa ny talata 02 may 2023 ho avy izao, amin’ny 08 ora 30min maraina, ny Filohan’ny kaonfiderasionina afrikanina momba ny baolina kitra, na ny CAF teo, Ahmad AHMAD, noho ny fiahiahiana azy ho nanampatra fahefana, araka ny tatitra natao ny 03 febroary 2021.
Efa filohan’ny federasionina momba ny baolina kitra malagasy i Ahmad AHMAD ny taona 2003, talohan’ny nahavoafidy azy ho Filohan’ny kaonfiderasionina afrikanina momba ny baolina kitra, izay nodimbiasan’i Raoul ARIZAKA RABEKOTO, teo anivon’ny FMF.
Fa raha ny fiantsoan’ny BIANCO Mahajanga, dia amin’ny maha Filoha teo aloha ny kaonfiderasionina afrikanina momba ny baolina kitra no hanadihadiana azy.
Ahmad AHMAD no nanova ny fifaninanana baolina kitra eto Afrika, ka nampakarana ho 24, raha 16 teo aloha, ny isan’ireo mpifaninana hiakatra hiady ny dingana famaranana ny fifaninanana tompon-daka Afrikanina.
Raha tsy nisy an’izay dia kely ny antoka nahatafakatra ny Barea hifaninana, izay nahatonga azy tafakatra hatrany amin’ny ampahefa-dalana tamin’ny CAN 2019.
Niverina an-tanindrazana i Ahmad AHMAD, ka nanomboka nihetsika naka hevitra momba ny fitsinjaram-pahefana, ary anisan’ny nitodika tany aminy ny maro raha hirotsaka ho filoham-pirenena ity zanaky Melaky ity.
Efa sekreteram-panjakana momba ny fanatanjahantena i Ahmad AHMAD ny taona 1994-1995. Voatendry ho minisitry ny jono ny taona 2014-2016. Lasa Loholona, ka nitana ny andraikitra filoha lefitra teo anivon’ny Antenimierandoholona. Ary ny 17 martsa 2017 dia voafidy ho Filohan’ny kaonfiderasionina afrikanina momba ny baolina kitra, tamin’ny isa malalaka 54, raha nahazo isa 34 kosa ilay camerounais Issa Hayatou, izay nitana io andraikitra io nanomboka ny taona 1988. Arak’izany dia antony politika koa izao anenjehan’ny fitondrana Rajoelina azy izao.