Kolontsaina sy politika – Hanampy an’i Ninie Donia ireo mpanakanto vehivavy

Isambilo

Hanampy an’I Ninie Donia, mpanakanto sady mpanao politika ireo vehivavy mpanakanto eto amintsika. Anisan’ny miantso ny mpanakanto vehivavy rehetra izay i Farah Johns, hifanome tanana sy hanampy an’i Ninie Donia amin’izao mahazo izao.

Voaheloka higadra 18 volana an-tranomaizina izy araka ny didim-pitsarana nivoaka ny talata lasa teo. Efa nahavita 6 volana izy, ka 12 volana sisa hoy ny fianakaviany. Anisan’ny efa nandray andraikitra ny mpanakanto Vaney’s, ka nilaza fa na tsy zanak’i Nosy-Be aza izy dia hanampy amin’ny maha samy artista sy maha samy vehivavy.

Maro no efa nilaza, fa tsy rariny izao famonjana an’i Ninie Donia izao, noho ny antony ara-politika.