Kolonely Rabe Jules – Tsy ekena ny hangalaram-bato foana any Toliara

Niaina

Manoloana ny tsy fahatomombana sy fisehoana endrika hangalaram-bato amin’ny fifidianana, noho ny fisiana fokontany matoatoa miisa 1024 any Toliara, nampakapeo ny kolonely Rabe Jules, tsy ekena hoy izy ny hangalaram-bato any an-toerana. Nambarany sy ireo mpiara-dia aminy fa: ”olona tsy mponina ao amin’ny fokontany Besasavy, nampidirin’ny Ceni anaty lisi-pifidianana.”

Efa nampoizina ity zava-mitranga ao Toliara ity, satria dia nolazaina fa misy fokontany vaovao izay miisa 1024 ao amin’ny faritanin’i Toliara. Nampiaka-peo ny Komity manohana an’i Marc RAVALOMANANA ao Toliara, noho izany, izay tarihin’ny kolonely RABE Jules Filohan’ny KMMR Toliara. Nambarany fa: ”nanao listes additives ry zareo, 684 no voasoratra ato. Amin’io 684 io dia ny 22 ihany no olona ao amin’ny fokontany Besasavy, mbola misy anaran’olona efa maty miisa 06. Ny olona 656 dia olona tsy hita ao amin’ny fokontany, fa olona avy any amin’ny distrikan’i Toliara I voasoratra aty ary mbola soratana ihany koa any amin’ny fokontany Besasavy. Misy olona avy any Sakaraha, avy any Morombe ary avy any Ankazoabo. Tsy vitan’ny hoe tsy manjary ity lisitra ity, fa maro ny olona tsy tafiditra ato anatiny ato nefa nisoratra anarana. Ny doublons ko ato dia mbola misy ihany. Ireto angamba ilay olona lazaina fa any amin’ny fokontany vaovao, satria isika angamba miara- mahita fa hoe misy 1024 fokontany noforonina anatin’ny faritanin’i Toliara. Fa maninona no faritanin’i Toliara ihany, sa gaigy ny olona aty Toliara ka aty no atao fangalaran-bato isan’andro? Nanaovana fangalaram-bato ity Toliara tamin’ny 2018, fangalaram-bato mahatsiravina mihintsy. Dia mbola izay koa ve? Miala tsiny fa tsy hisy hanaiky an’izany! ” hoy ity manamboninahitra monina ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ity.