Faritra Sava, Diana ary Sofia – Tena talanjona ireo nolalovany, mbola tena mijaridina Ravalo

Isambilo

Tena talanjona avokoa ireo nolalovan’ny filoha Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, raha nahita azy akaiky, tamin’ny fandalovany tany amin’ny faritra Sava, Diana ary any amin’ny faritra Sofia izy amin’izao fotoana. Saika tsy nino avokoa ireo nahita ny tanjany, sy tena mbola mampijaridina an’i Dada. Tao aorian’ny tany Ambanja faritra Diana, hiatrika ny kongresim-paritry ny antoko TIM any amin’ny faritra Sofia izy anio, kongresy handraisan’ireo solontenan’ny antoko TIM, avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Sofia.

Omaly tolakandro, nivory niaraka tamin’ireo tomponandraikitry ny TIM ao an-drenivohitry ny faritra Sofia izy, mahakasika ny fanatontosana ny kongresimparitry ny antoko TIM faritra Sofia hatao anio sabotsy hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Fa ho famintinana ny diany tany Sava sy Diana, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana fa: ”nahafoy fotoana ianareo teto Ambanja anio nifanakalo hevitra tamiko. Aza avela ho raraka an-tany izao herim-ponareo izao. Fotoana hanovantsika ny tantara izao amin’ny alalan ny fifidianana. Koa andeha àry hifampitaona amin’ny havana aman-tsakaiza ho any amin ny Fokontany hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, ary hanamarina izany avy eo. Tsy mahalavi-tany ny fanarenana an’i Madagasikara. Nandalo teto Ambilobe aho rehefa avy nitety ny faritra SAVA. Tsy nisalasala isika ny nifampihaino sy nifanakalo hevitra. Manantena anareo aho fa samy hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana ny tsirairay, hisoratra anarana ireo izay tsy nahavita izany”.

Mbola tsy ho latsa-danja amin’izay koa ny fanentanana hataony any Antsohihy anio, miandrandra azy, hanavotra indray ny vahoaka sy ny firenena ireo rehetra nolalovany tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy tany.