EDITO 29 Aprily – Tsy mahataitra ny maro ny teleferikan’ny fitondrana

Beharo

Tsy mahataitra ny maro ny teleferika ataon’ny fitondrana raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety. Marobe amin’ireo olona mandalo eny amin’ny Coliseum, Andrononobe, Analamahitsy, no manao resaka mahita ny fanorenana fiantsonana na gara hatao hoan’ny Teleferika.

Tamin’ny alahady teo dia nisy fotoam-bavaka teny amin’ny Coliseum, ka tsy vitsy ireo nilaza sy nanambara, fa tsy manintona ny ankamaroan’ny olona eny amin’ny manodidina eny ny handeha amin’io teleferika io, noho ny saran-dalana izay azo inoana, fa mety ho henjana hatrany, toy ny “bus class”, izay vitsy mpandeha noho ny saran-dalana atao aminy.

Manahirana ny olona na ireo mpandeha ihany koa ny hiakatra eny Ambatobe raha hitaingina teleferika ho eny Ankorondrano ohatra. Tsorina anefa fa mba maro ihany ireo fiara mpitatitra na kaoperativa mandalo eny Analamahitsy, Ivandry, Ankorondrano, sns… ka tsy tokony handeha teleferika izany ny olona, fa mba fiara fitaterana tsotra hatrany.

Tsiahivina ihany koa fa fiara fitaterana miisa arivo no lazaina fa ho ampiasaina eto an-drenivohitra, nafaran’ny fitondrana Rajoelina, nefa tsy mbola hita akory hatramin’izao faran’ny volana aprily izao. Hita araka izany fa mbola tsy mazava amin’ny rehetra ny asa fitaterana eto amintsika, na ny fiaramanidina aza lasa Madagasikara Airlines ihany koa, nefa tamin’ny Air Madagasikara ihany no nampalaza azy sy ny firenena mihitsy aza. Resaka ny maro koa ny hoe, ny lalana ety ambany amin’ny arabe tsy vita, dia ny fitaterana eny ambony mitsigevana: teleferika indray ve no hahadodona?