POLITIKAN’NY MPANAO HAIADY

Dia samy milaza ho mpanao haiady,
Ry zalahy mpanao politika maloto.
Midehaka ho samy efa ambony girady,
Kanefa ny saina dia jiolahimboto!

Mirehaka ho « mpampipipy an-kilaoty »,
Fa hoe mafy be sady tena mahay.
Nefa raha ny fahaizany no omena naoty,
Dia « aotra ankiroa » fa tsy mihoatran’izay!

Raha hoe ny « taimbava » dia tsorina kosa
Fa tena ananany be ambongadiny.
Anisany koa irony lainga miavosa
Fanaony hampahomby an’ireo tetikadiny!

…Tsy ho ela dia hisy ny kianja malaza
Natao hampiadiana mpanao politika,
Ka eo ry boaikely mpanao sain-jaza
Ary koa ry vazimba no hiseho amintsika!

Dia hisy ny amboara tsy maintsy hozaraina
Ary tena ho talanjona ny olon-drehetra,
Fa ny hahazo izany dia ireo maivan-tsaina
Izay zatra lalao politika voretra!

IRINA HO TAFITA (25-04-23)