Antsojay ataon’ny fitondrana Rajoelina – Tsy rariny ny fanemelohana an’i Ninie Donia 18 volana am-ponja

Stefa

Tsy rariny ny fanamelohana an’i Ninie Donia 18 volana an-tranomaizina hoy ny mpomba azy, sy ireo rehetra tsy mankato izao fitondrana Rajoelina, mpampijaly ny tsy mitovy hevitra politika aminy izao. Nivoaka ny talata teo, ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha tany ao Nosy-Be faritra Diana, izay nisamborana ka nahavoatazona am-ponja efa ho 11 volana an’i Bezara Eliane na fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Ninie Donia. Sazy mihàtra 18 volana, arak’izany no didy navoakan’ny fitsarana ao Nosy Be ho an’i Ninie Donia. Tsiahivina fa misy raharaha roa samihafa no vesatra niampangana an’i Ninie Donia, ary notsaraina niaraka izany andro vitsivitsy lasa izay. Ny iray dia fifampitoriana teo amin’ny Karana Assanaly sy ny Zafin’ny Fotsy. Nisintona ny fitoriany noho ny fihavanana anefa ny andaniny, mahakasika ity ady voalohany ity. Ilay raharaha faharoa kosa dia ny JIRAMA sy ny Fanjakana no mpitory, fandavàna didim-pitsarana (Ordonnance), sy fitarihana olona hikomy no vesatra niampanaga azy.

Marihina fa ny 16 jona 2022 no nampidirina amponja i Ninie Donia sy ireo namany 16, nivoaka ny didim-pitsarana ary nanao fampakarana ny tenany ka nahazo Fahafahana vonjy maika avy any amin’ny “Cours d’appel” Antsiranana ny 04 oktobra 2022. Nolavin’ny fitsarana ambaratonga Voalohany tao Nosy be anefa izany. Vao mainka nomen’ny fitsarana tao Nosy-Be didy famonjana vaovao i Ninie Donia ny 05 oktobra 2022, na eo aza ny tsy fahasalamany.

Maro ny olona tohina tamin’ity didy navoakan’ny fitsarana ity. “Ny fiarovana ny zony sy ny fananan-dRazany ve no ahazoana sazy tahaka izao. Tsy rariny kosa”, hoy ny olona maro naneho ny heviny momba izao raharaha izao.