Olan’ny fandehanana any ivelany – Hasio fanaovana pasipaoro ihany koa any amin’ny faritra

Stefa

Manoloana ny olan’ny fizarana pasipaoro amin’izao fotoana eto Antananarivo, noho ny tsy maintsy hilaharana maraimbe, nefa mety mbola tsy ho voaray amin’izany, mitaky ny hanapariahana ny fanomezana izany pasipaoro izany any amin’ny faritra koa ny olona avy any ivelan’ny renivohitra.

Olona maromaro sendra tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny gazety Ny Valosoa no nanambara sy nanontany:

”inona no antony tsy amelana ny renivohi-paritany hamoaka pasipaoro Malagasy ankehitriny, nefa dia samy manana ny antsoina hoe service d’immigration? Tsy maintsy miakatra aty Antananarivo, vao mahavita passeport ny Malagasy rehetra eto Madagasikara. Tsy maintsy milahatra manomboka amin’ny 12 alina. Tamin’ny 4 h du matin no nahatongavako nilahatra teo, efa laharana faha 145 no azoko. Efa misy matory eo amin’ny service passeport eo Anosy mihitsy, raha nanontaniako ilay laharana voalohany! Fa maninona no ampijaliana tahaka izany ny Malagasy? Efa 60 taona mahery anie isika no nahaleo tena e! Dia na fanamboarana passeport aza ve dia voatery tsy maintsy ijaliantsika?

Manome soso-kevitra aho: aparitaho isaky ny renivohitry ny Région na ny renivohitry ny Province ny fanaovana an’io pasipaoro io! Fa tsy atao famolosana ireo olona mipetraka lavitra: frais taxi-brousse aller-retour + sakafo an-dalana sy mandritra ny fipetrahana eto Antananarivo + chambres d’hôtel 3-4 jours ho an’izay tsy misy havana + frais de dossiers 200.000 ariary, tena lany volabe!”