Jeune TIM Analamanga – Misokatra amin’ny tanora tsy ankanavaka ny QG Bel’Air porte12

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana, ny Jeune Tim Analamanga notarihan’ny filohany Solofo Andrianantenaina ny talata teo. Nisongadina tamin’izany, fa misokatra ho an’ny tanora rehetra tsy ankanavaka ny ao amin’ny QG Bel’Air porte 12, handraisana ireo tanora maniry ho mpikambana amin’ny Jeune TIM Analamanga, isaky ny talata sy ny alakamisy no fandraisana anarana amin’izany. Azo atao ao amin’izany toerana izany koa ny manamarina ny anarana ao amin’ny lisi-pifidianana, satria hita ao ny rohy avy amin’ny CENI, misy ny lisi-pifidianana rafetina amin’izao fotoana.

Ankoatra izany, nanambara ny filohan’ny Tanora TIM Analamanga Solofo Andrianantenaina, fa manomboka mivoaka ankehitriny ny paika maloton’ny CENI, ny amin’ny fisian’ny hosoka sy halatra azo atao amin’izany lisi-pifidianana izany. Noho izay antony izay, mitohy ny fanentanana hoy izy, ny amin’ny fanaraha-maso akaiky izany lisi-pifidianana izany, nanentana koa izy ireo tanora mbola tsy tafiditra amin’izany lisitra izany, mba hanatona ny fokontany misy azy hisoratra anarana.

Fotoana izao ifohazan’ny tanora amin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena. Mba hialana amin’ny mety halatra sy hosoka amin’io lisi-pifidianana io, tokony hatao peta-drindrina ho hitan’ny rehetra eny amin’ny biraom-pokontany izany, hoy ity tanora mpanao politika ity. Nohamafisiny fa tanora mahay, mahalala, mahavita ny Tanora TIM araka ny toromarika sy ny fanamby apetraky ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana.