Vohemara, Ambilobe, Ambanja – Avoty ny firenena fa potika Dada, hoy ireo vahoaka marobe

Isambilo

Mitsidika ny any amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny amin’izao fotoana ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM Marc Ravalomanana. Tany amin’ny faritra Sava sy Diana izy hatramin’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, tany Vohemara, Ambilobe ary omaly dia tao Ambanja i Dada.

Tamin’ireo toerana rehetra izay nolalovany, anisan’ny antsoantson’ireo vahoaka ny hoe: ”avoty ny firenena fa potika Dada”. Ho setrin’izany, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana fa: ”tsy mahalavi-tany ny fanarenana an’i Madagasikara. Nandalo teto Ambilobe sy Ambanja aho rehefa avy nitety ny faritra SAVA. Tsy nisalasala isika ny nifampihaino sy nifanakalo hevitra. Manantena anareo aho, fa samy hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana ny tsirairay, hisoratra anarana ireo izay tsy nahavita izany”.

Tomefy olona hatrany ny lalana nolalovany tamin’ny lalampirenena RN5A, sy ny lalampirenena faha-6 iny. Nitafa sy nifampitakosina tamin’ny rehetra izy tamin’izany, toy ny efa fanaony. Ireo nitondra ny alahelony sy ny hetahetany taminy koa dia samy nilaza, fa voafitak’izao fitondrana Rajoelina izao, izay tsy mitsinjo vahoaka. Avereno amin’ny laoniny ny fiainanay sy ny fiainan’ny firenena hoy ihany koa ny mpandahateny nanoloana ity ray aman-drenin’ny Malagasy ity. Gisitra isika amin’izao fotoana, nefa efa taiza tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, araka ny fanamarihana nataon’ny nikabary. Nisy tanora nijoro vavolombelona, fa mbola mpianatra izy tamin’ny fitondran’i Dada, nahavita bazary fanjava 1, na 1 volana ny 50.000 Ar tamin’izany hoy ity tanora ity.

Ankoatra izany, mbola nanentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filoha Marc Ravalomanana. Nosoritany koa fa misy fikasana hangala-bato sahady ataon’ny mpitondra sy ny CENI, hita fa misy fokontany matoatoa miisa 1024 ankehitriny any Toliara faritra Atsimo Andrefana, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM.