EDITO 27 Aprily – Mampanahy ny hoavin’ny firenena raha tsy miova lalana dieny izao

Sôh’son

Fanontaniana misesika ao an-doha ankehitriny, ary efa fotoana ela izay, ny amin’ny fiandrianam-pirenena marina. Toa tsy tena eo ny hambo na hasarotam-piaro amin’ny fiarovana ity tanindrazana ity, raha mahita ny fanomezana vahana ny vahiny, mpanefoefo, indrindra ny karana manjakazaka amin’ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Toa mamihin-tanana na milalao tanana fotsiny no ataon’ny fitondrana Rajoelina, fa tsy hita izay fepetra noraisiny manoloana izany. Hany ka mirona ny saina hihevitra marindrano, fa diso lasibatra izao fitondrana Rajoelina izao. Sa mody fanina fotsiny, fa kôpy ihany, araka ny fomba fitenenana ankehitriny.

Matoa anefa manao izany, dia maro no mihevitra, indrindra ny mpamakafaka, fa misy kopaka isasahana ao. Dia iaraha-mahita ny zava-misy eny amin’iny Ampefiloha akaikin’ny Cnaps iny, ny fanilihana ireo mpivarotra marobe nanamorona ny sisin’arabe, fa nitsangana ny trano lehibe goavana, izay mazava loatra fa ao anatin’izany ny karana. Toerana samihafa teto amin’ny Nosy ihany koa no nisian’izany tranga izany. Hanao ahoana ity vahoaka malagasy ity, izay efa nisy nilaza fotoana maromaro lasa izay, fa mahatsapa ho tsy misy mpiaro intsony. Iza izany no antenainy hiaro azy? Very fanahy mbola velona ny sarambabem-bahoaka, indrindra miha-sarotra ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny samihafa mihitsy.

« Misy manafika isika izao », io no teny nisarihan’ny sain’ny maro nataon’ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra iray ny tenany andro vitsivitsy lasa izay. Dia tsaroana tokoa ilay teny misoratra eny amin’iny faritra atsimon’Antananarivo renivohitra eny, izay toa hilaza ny amin’ny fahazoana laka eto amin’ity Nosy ity. Ho voailika eto amin’ny taniny ihany ity vahoaka malagasy ity, satria zary misy manome alalana sy manome vahana ny mpanilika azy. Hanao ahoana no iafaràn’ity vahoaka malagasy sy ny fireneny ity any aoriana? Mila fandraisana andraikitry ny olom-pirenena haingana izany, ary ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fomba fifidianana no hany lalana misakana izany. Tokony hahay misoroka sy miàla amin’ny fampandriana adrisa sy ny fitapitaka mandrendrika azy ny vahoaka amin’izao fotoana izao.