ADIN’NY VETA SY NY VAZIMBA

Ireny ve no hoe voafidy, ireny ve no notendrena?
Miaiky tongotra aman-tanana ny olo-manam-pahendrena!
Tsy ny mpiady an-kavoriana toy ireny no ilaina.
O ry veta o! ry vazimba! mba meteza ho tonga saina!

Any an-takona sasana irony lamba feno loto.
Aza imasonay vahoaka no atao ny loham-boto.
Any an-takona no esory ireo karazana tsikoko,
Fa dia tena afa-baraka ianareo “mitovy loko”!

Ireny ve no mba minisitra, ireny ve no solombava?
Tsy mba ny olona milamina fa ny tena mpiady lava!
Izao no sarin’ny mpitondra efa tena miady an-trano.
Tena tsy arira intsony na koa hoe anganongano!

Ianao ry veta mba mahaiza mampivondrona ny hery,
F’aza tia maningantsingana sy manandra-tena irery.
Ary ianao koa ry vazimba aza maika ny hisafoaka.
Tsy olon-tsotra anie ianao fa solombavan’ny vahoaka!

TSIMIMALO (19-04-23)