Tsy fandriampahalemana mahazo vahana – Misy « couvre feu » ao Ambohimanambola Avaradrano

Niaina

Noho ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana amin’izao fotoana ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, indrindra ny ao amin’ny kaominina Alasora, sy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, nanao fanambarana ny ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Ambohimanambola fa nanomboka omaly, misy ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, na « couvre feu » ao amin’ity kaominina ity. Tsy azo atao ny mivezivezy ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola manomboka amin’ny 9 ora alina, ka hatramin’ny 3 ora maraina. Ireo izay tsy maintsy mivoaka amin’ny alina noho ny antony manokana dia tsy maintsy mitondra karapanondro avokoa. Raha mpiasa tsy maintsy miasa amin’ny alina dia tsy maintsy mitondra ny karatra maha-mpiasa azy ao amin’ny orinasa izay iasany. NY Bar sy ny Karaoke dia mihidy amin’ny 9 ora alina avokoa ary ny lanonana rehetra ihany koa dia foana tsy azo atao. Manan-kery mandritra ny fotoana tsy voafetra izany didy izany.