Fivoriamben’ny Sahanala Vanille – Tokony ho 75.000 Ar ny kilao farany ambanin’ny lavanila maitso

Aly

Nanatanteraka fivoriambe nandritra ny 3 andro, tany Ambanja faritra Diana ny herinandro lasa teo ny orinasa sosialy Sahanala Vanille eto Madagasikara. Ity orinasa ity dia an’ireo tantsaha mpamboly lavanila avy amin’ny faritra miisa 13 eto amin’ny Nosy, miara-miasa amina fikambanana miisa 94 ary mamelona fianakaviana 15.000. Ny orinasa Sahanala Madagasikara dia ahitana federasiona fikambanana tantsaha miisa 4 dia ny momba ny lavanila: Sahanala Vanille, ny momba ny jono, ny mahakasika ny fizahantany, ary ny amin’ny sehatry ny voa sy voamaina ary laron-tsakafo manitra samihafa, na noix et epices, ka ny Sahanala Vanille no nanatanteraka fivoriambe tany amin’ny faritra Sambirano izao. Tantsaha mpikambana miisa 400 teo avy amin’ny faritra iasan’ny orinasa sosialy Sahanala Vanille no tonga tany Ambanja ny herinandro teo.

Ny fehin-kevitra nivoitra tamin’izany: RAMIHATRATIANA Natahalie Victoria, solontenan’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Anôsy, avy amin’ny distrikan’i Farafangana – Kaominina Tangainono: « Mitazona ny vidiny farany ambany 75.000 Ar ny vidin’ny iray kilao maitso, ny ambonin’izay aza no tokony ho tanjona. RASAMISON Rodin, solontenan’ny Faritra Analanjirofo sy Sofia, avy amin ny distrikan’i Mananara Nord – Commune Ambatoarananana : «tsy sehatra anaovana adilahy politika ny sehatra lavanila, fa tokony hipetraka mandrakariva ho sehatra fitsinjovana ny tantsaha sy ho fampandrosoana an’i Madagasikara». RAZAFIMANDIMBY Armand, solontenan’ny Faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany, avy amin’ny distrikan’Ifanadiana- Commune Ifanadiana:”tokony hajaina ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny lavanila. Miangavy mba tsy hiovaova eny an-dalana ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny sehatra lavanila.” JEAN Paul Bemamy, solontenan’ny Faritra SAVA sy DIANA, avy amin’ny Distrikan’i Sambava – Commune Ambohimalaza:”mila marindrano sy milamina ny eto an-teorana mahakasika ny sehatra lavanila, mba tsy hampiroaroa saina ny mpanjifa any ivelany.”

Andriamatoa Manato Eden kosa no nitondra ny fanambarana niombonan’ny rehetra tamin’izao fivoriambe izao: manoloana ny famahana ny olana momba ny seha-pihariana lavanila natao tao Sambava tamin’ny fahatongavan’ny Filohampirenena sy ny Praiministra farany teo, nahatsapa izahay tantsaha maro an’isa mpamboly lavanila, fa ray aman-drenin’ny vahoaka ny fanjakana. Ianareo mpanondrana, na mpikarakara na izahay tantsaha maroan’isa mamboly lavanio dia samy zanaky ny fanjakana avokoa. Noho izany, samy manan-jo hivelona amin’izay nisasarany avy isika rehetra. Matoa ny fanjakana hatramin’ny taon-dasa nandray ny fanapahan-kevitra ny vidiny farany ambany dia hita fa mbola mahazo tombony ihany ny mpanondrana. Ka eto dia tery omby ririnina , tsy hamono ny reniny, tsy hahafaty ny zanany. Nefa malahaelo izahay President, fa misy eto amintsika mitady sy te hampihàtra ny “RARINY MATANJAKA” momba io seha-pihariana io. Nidongy izy ireo, fa tsy mety mividy ny vokatray tantsaha amin’ny vidiny farany ambany noferan’ny fanjakana , hatramin’izao mikatso ny lavanila. Betsaka ny lavanila, an-taoniny maro tsy misy mpividy. Tsy midika ve izany fa afaka manohitra fanapahan-kevitra napetraky ny fanjakana izy ireo, satria tompon’ny vola, fa ianareo fanjakana tompon’ny volagna? Sao mitady ho resi-tosika ianareo fanjakana raha ny zava-misy amin’izao no tenenina. Tsotra ny teneninay tantsaha mpamboly lavanio, fa indrindra izahay tantsaha manana ny orinasanay SAHANALA, izay anisan’ny voalohany amin’ny mpanondrana lavanila eto Madagasikara, manana mpikambana tsy latsaky ny 15.000, mivelatra amina faritra 13, mba tsy hilazana, fa mandrafitra an’i Madagasikara.

Araka izany, izao no fanapahan-kevitray:
tsy ekenay, lavinay marindrano izay mety ho fiovan-kevitra ataon’ny fanjakana, ka tsy hitàna ny teny nataony, izany hoe: 75.000 Ar ny lavanila maintso.
Gaga sy talanjona izahay, raha toa ka miala amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana, satria tsy tokony hisy intsony ny fanovàna lalàna mandritra ny champagne anankiray, fa tokony ho marin-toerana ny fanapahan-kevitra eto Madagasikara, mba tsy hampisy ahiahy na fisalasalana ho an’ireo mpanjifa ny vokatra any ivelany.