Sambava, Antalaha – Na nisy ny antsojay sy ramatahora Feno hipoka ny tao an-trano, maro ihany koa ny tsy tafiditra tany ivelany

Isambilo

Mitsidika ny any amin’ny faritra Sava nanomboka ny sabotsy teo ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Ny sabotsy sy alahady izy dia tany Sambava sy Antalaha, omaly alatsinainy kosa dia tany Vohemara. Na nisy ny antsojay saika nisakanan’ny mpitandro filaminana ny hetsiky ny TIM tao Sambava, tsy nanaiky lembenana ny filoha Ravalomanana sy ny mpiara-dia, ka dia raikitra tao amin’ny Cercle Chinois Sambava Centre ihany, ny kongresim-paritry ny antoko TIM tany amin’ny faritra Sava. Na teo ny sakantsakana nataon’ny mpitandro filaminana, vory lanona ny olona: feno hipoka ny tao an-trano, maro ihany koa ireo tsy tafiditra nihaino taty an-tokontany.

Ankoatra ny fiatrehany ny kongresim-paritry ny antoko, nanentana hatrany ireo olona rehetra hiditra anaty lisi-pifidianana, hisoratra anarana ary hanampy azy ireo hanamarina izany, ho an’izay efa nahavita nisoratra anarana teny amin’ ny Fokontany, i Dada. Tonga nijery ny biraon’ny fokontany Ambalamanasy Antanifotsy 1, tao an-drenivohitry ny faritra Sava ny filoha Marc Ravalomanana, toy izay efa nataony teny Ambohimpo sy Ambohimanarina, ny herinandro teo teto an-drenivohitra. Noanteriny nandritra ny lahateny nataony na tany Sambava, na tany Antalaha fa: “andro vitsivitsy sisa no isaina dia ho feno ny roapolo andro, ny teniko ho anao dia kihon-dalana lehibe izao fotoana izao: mandehana àry any amin ny fokontany misy anao. Jereo ny anaranao ary hamarino tsara raha ao anaty lisi-pifidianana. Apetraho ny fitarainana amin’izay diso rehetra, eny fa na dia kely aza. Raha tsy ao ny anaranao dia soraty avy hatrany ao amin’ny fokontany misy anao eo noho eo ihany, ento ny karapanondrom-pirenena. Aza adino, tsy manankery intsony ny lisi-pifidianana teo aloha rehetra. Afaka jerena ny rohim-pifandraisan’ny Ceni mifandraika amin’ny faritra, distrika, kaominina, fokontany misy anao. Fa nasiany resaka koa ny mahakasika ny olan’ny lavanila amin’izao fotoana, tokony ho laharam-pahamehana ny fijerena ny olan’ny tantsaha, fa tsy ny an’ny mpandraharaha mpanangona sy mpanondrana ity vokatra fanondrana ity ihany”, hoy izy.

Tao Antalaha, vao nahita ny filoha Marc Ravalomanana dia tonga marobe ny olona na dia tampoka aza ny fahatongavany. Tsy mba nisy fizarana zavatra na artista, fa ny anay hoy ireo mpikatroka dia Dada ihany, izy no mahita ny vahaolana ho an’ny zanany dia ny Malagasy iray manontolo tsy misy resaka firazanana fa iray ihany.