Aretina mikiky ny firenena – Mila olon-kendry sy manampanahy ary traikefa ny fitsaboana azy

Andry Tsiavalona

Mipetraka eto amin’ny Firenena hatramin’izao ny fanontaniana raha tena hisy tokoa ny fifidianana ho filoham-pirenena na tsia. Ny toe-draharaha iainan’ny olompirenena sy ny politisiana ary fiarahamonim-pirenena dia miteraka ahiahy, satria efa ho roa volana izao no nanondro daty ho amin’ny 9 Novambra 2023 ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), ary efa nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izany kanefa dia tsy mbola namoaka Didim-panjakana ho fampiharana izany ny Fahefana Mpanatanteraka. Toa manamarina ny filazana fa tsy ampy efa zato miliara ariary ny vola ho enti-manatanteraka izany kanefa tsy mbola misy manana finiavana handrotsaka vola ao amin’ilay « Basket Fund » ireo mpiara-miombon’antoka.

Manampy trotraka ny fisalasalan’ny mpitondra ihany koa ny tsy fahatokisan’ny olompirenena rehetra ny rafitra roa misahana ny fifidianana dia ny CENI sy ny HCC izany an-daniny. An-kilany koa ny fahitan’ny rehetra, fa tsy tomombana ara-dalàna ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ary tsy azo itokisana ihany koa ny “logiciel” ampiasain’ny CENI. Takian’ny mpanao politika ny fanavaozana ny Lalàm-pifidianana ary izay no anton’ny nandrosoan’ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ny hanaovana ny Fikaonandoham-pirenena (Concertation Nationale). Misy ny politisiana tsy mankasitraka ny hanaovana izany, satria hiteraka ny fametrahana tetezamita, ka hisy ny fiaraha-mitantana, fa aleo tonga dia miroso amin’ny fifidianana. Na izany na tsy izany dia tsy takona hafenina intsony ny krizy ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toetsaina aterak’ireo toe-draharaha ireo amin’izao fotoana izao.

Raha raikitra tokoa ny Fikaonandoham-pirenena, ka hisy ny fehinkevitra hivoaka amin’izany dia mety mbola hipetraka ilay « tsy miady tsy miady, fa ny kibay an-kelika ihany » araka ny fotopisainan’ny gasy amin’ny ankapobeny. Ny tranga amin’izao fotoana izao mety hiteraka izany dia satria fito volana mialohan’ny daty noferana hanaovana ny fifidianana dia efa manao fampielezan-kevitra, na an-kolaka na mivantana ny politisiana, ary lohalaharana amin’izany ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, kanefa dia tsy mandray ny andraikiny ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Mahazo manao famoriam-bahoaka amin’izay toerana sy fotoana tiany ny mpomba ny fitondrana, kanefa sakanana tsy mahazo na dia mivezivezy ato amin’ny fireneny aza ny tsy ao anatin’ny fitondrana. Tsy misy mahafehy izay tokony ho tenenina izay rehetra mikabary imasom-bahoaka, fa mifampihantsy sy mifanenjika ary mampiseho fifankahalana izay rehetra afaka manao izany. Mizotra mankany amin’ny fahapotehana eo amin’ny lafiny rehetra ny Firenena, ka ahiana ny fifandonana eo amin’ny samy politisiana na ny fahatezeran’ny vahoaka amin’ny mpitondra, noho ny tsy fahafehezan’ireto farany izao fahantrana tsy roa aman-tany izao. Manaporofo ny mety hitrangan’izany ny fihantsiahan’ny filohan’ny Repoblika ireo mety ho kandidà hifaninana aminy, satria tsy manaiky resy mihitsy izy ary efa tompon-daka an-kilany hono. An-daniny kosa ny fanakianana mafy nataon’ny solombavambahoaka voafidy tany Toliara I ny filohan’ny Repoblika tany amin’ny Faritra Sava, izay nampangainy ho fototry ny olana iainan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha eo amin’ ny sehatry ny lavanila. Vao omaly ny omaly no nifandroaka teny amin’ny fitokanana ilay Mozea Rainilaiarivony ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy sy ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-5 Naivo Raholdina. Raha zohiana ny tantara dia lonilony efa nisy teo amin’ireto samy IRD ireto ity tranga ity, satria heverina fa anisan’ireo nolazain’ity depiote ity ho tokony ho nesorina ny minisitra ny serasera.

Araka izany dia ny ady anatin’ny samy mpitondra no mety hiteraka fifandonana eo amin’ny samy mpomba azy. Diso fanantenana amin’izao mpitondra izao ny vahoaka noho ireo velirano nataon’ny filoha tsy tanteraka, sady tsy mitondra vahaolana matipaika ho entiny miatrika ny fahantrana sy fihinanana ny tsy fihinana iainana amin’izao fotoana izao dia mety hampitraotra ny vahoaka. Raha mbola hisy ny hala-bato sy ny fanodinkodinana ny safidy amin’ny fifidianana dia azo antoka fa hisy fipoahana ara-tsosialy tsy mbola nisy toy izany eto amin’ity Firenena ity. Mila olon-kendry sy manampanahy ary manana traikefa sy paikady matotra eo amin’ny fitsaboana ny aretina mikiky azy ny Firenena. Mety ho vahaolana ny fifidianana raha tsy hiteraka krizy noho ny antony maro samy hafa, ka mila mandray andraikitra tandrify azy ny tena tia tanindrazana rehetra, noho ny fitsinjovany ny ho avin’ny taranaka ho lavitry ny fahantrana.