EDITO 25 Aprily – Fitondrana Rajoelina – Mitohy hatrany ny fanomezany môdely ratsy ho an’ny vahoaka

Sôh’son

Manome môdely ratsy hatrany hoan’ny vahoaka ny olon’izao fitondrana Rajoelina izao. Vao tamin’ny herinandro no nisy olom-boafidy niteniteny foana ampahibemaso, dia ny talata teo indray no niharihary ankalamanjana ny tsy fifehezan-tena, na vava sy fihetsika ihany koa teny Amboditsiry. Sary ratsy hatrany no miseho na miezaka mafy manatsara ny sariny aza izao fitondrana izao, indrindra i Andry Rajoelina. Efa nahiana indray aza tamin’iny andro ny handisoany tantara, toy ny efa nitranga teo aloha, fa mba nahay nihodivitra ny tenany, asa efa nanarina mafy na nahay nitsara tena ihany.

Maro izay sary ratsy nasehon’izao fitondrana izao tato anatin’ny efatra taona mahery izay. Môdely ratsy hampanahy horaisin’ny zatovo sy tanora ambara ho antoky ny hoavin’ny firenena. Sary ratsy, ireny fihetsika manenjika mpianatra any anatin’ny Oniversite ireny, fa toy ny azo atao ny manitsakitsaka ny “franchise universitaire”. Nefa tena tsy tokony hatao velively izany. Izany ve no anabeazana ny tanora malagasy ho tompon’ny ampitso eto amin’ity firenena ity. Maro ny sary ratsy aseho kanefa mampanahy raha toa raisin’ny taranaka ho mety. Hahapotika ny firenena izany. Iaraha-mahita sy mahalala tsara ny fanosihosen’ny fitondrana Rajoelina ny Lalampanorenana, ny fitsabahana amin’ny asan’ny fahefana mpitsara sy ny fahefana mpanao lalàna. Mbola resabe hatramin’izao ny zavatra nataon-dRajoelina tany Sava namoaka am-ponja ireo roalahy rehefa avy nofaiziny.

Rajoelina Andry izany, sady mpanafay ny olona no mpanambitamby amin’ny famoahana azy any am-ponja avy eo. Fitondrana inona no sary asehon’izany, fa zary miàla amin’ny maha Repoblikana? Mazava loatra, fa lalana kitoatoa be no itondran’izao fitondrana izao ny firenena. Hany ka hatramin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena avy no mitokona sy mila vaniny amin’ny fiaraha-miasa noho ny fahitany ny fomba fitantanana ny firenena. Ny manahirana, mbola mihevi-tena ho tsy misy toa azy ihany izao fitondrana izao, na dia efa fadiranovana mifafa ny kihony vokatr’izany aza ny sarambabem-bahoaka. Izany no lazaina ho fitondrana mahatsapa ny fahantram-bahoaka ventesin-dRajoelina etsy sy eroa.