AMPY IZAY !

Hoerahoera, seho ivelany no mazàna lasa aloha,
Fa raha jerena, tsisy afitsoka iretsy ekipan’ny filoha.
Mivoaka lava tsisy farany, faly ny mitety tany.
Saingy hatreto raha ny vokatra, tena mbola aotra ihany!

Teteziny ny tany masina sy ny firenem-baventy.
Voiziny ny serasera feno hafatra mirenty.
Te hiteny sy hanambara hoe hamiratra ny lanitra,
F’efa azony any am-batany ilay diloilo tena manitra!

Saingy iretsy maro an’isa, toa tsy taitra velively,
Raha mandre ireo voandalana idedahan-dry boaikely.
Ny azy, izao no ao an-tsainy: “ahoana ny amin’ny vidim-bary?
Angaha ny iray kilao tsy hoe ho lasa dimanjato ariary?”

Izay ilay laingabe nafafy tamin’iny lalana iny,
Kanjo fotaka mandrevo, izay no misy ankehitriny.
Fozaorana no laoka fa ny hena dia tsy takatra.
Vidim-piainana, misondrotra, tena tsisy izay tsy niakatra!

…Hoerahoera, seho ivelany no mazàna lasa aloha,
Kanefa fasana hitelina no efa indro fa mivoha.
Koa mandiniha sy mihevera re ry ekipan’ny mpitondra,
Tsara ho anareo ny miala f’aoka izay ny lohan’ampondra!

IRINA HO TAFITA (12-04-23)