Fitsidihana tany Menabe – Ny filoha Ravalomanana no tena rain’ny malagasy rehetra

Isambilo

Nisongadina tamin’ny fitsidihan’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, tany amin’ny faritra Menabe: tany Morondava, sy tany Mahabo, fa izy tokoa no tena rain’ny Malagasy, raha ny zavatra hita sy tsapa tamin’ny fihaonany tamin’ireo olona nandalovany, na tany Morondava, na tany Bemanonga, na tany Ankilivalo, Mahabo. Na ny fiarahany niombom-bavaka tamin’ny kristiana tao amin’ny fiangonana FLM Betela tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe. Antsoantson’ny rehetra sendra azy ny hoe: vonjeo zahay Dada fa mijaly. Mbola heno koa izany, nandritra ny kongresim-paritry ny antoko najorony tao Morima Morondava.

Fa ankoatra izany, mbola niantso ny rehetra izy hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, satria mbola misy ny fotoana. Nanotrona azy tany an-toerana ny avy amin’ny birao politika nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, tany koa ireo depiote avy amin’ny antoko TIM, nahitana ny filohan’ny vondrona parlemantera, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, ny depiote Mamy Rabenirina, ny depiote Rastany, ary ny depiote Ramboasalama Emilien.

Nahitsy ny lahateny nataon’ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro, fa mbola manoatra noho ny dahalo mpangalatromby ny mpangalabato, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony. Mila jerena izany, satria mandritra ny 5 taona ve vokatry ny halabato dia mbola hiharitra eto isika vahoaka Malagasy? Hoy izy. Ho faty isika raha ny dahalo no mahazo fitondrana hoy i Rina.

Nambarany koa fa lisitra 3 samihafa no misy any Morondava amin’izao ary tsy mitovy ny isa tamin’ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy. Iniana tsy ampidirina ihany koa ireo mpikambana TIM eny amin’ny Fokontany. Tsy hilefitra amin’izao fomba fiasa fanahy iniana izao ny antoko TIM, ka handray andraikitra amin’ny sehatra ambony, hoy izy.

Ankoatra izany, ireo avy amin’ny antoko TIM avy amin’ny faritra Menabe, tarihan’I Rivojaona Raherimihaja, sy Maharo dia samy niantso ny filoha Marc Ravalomanana, hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy, hanavotra an’i Madagasikara, izay latsaka an-katerena tokoa amin’izao fotoana.