Fitondrana Rajoelina madiva hifarana Tsy misy fihafarany ny fahafaham-barakany

Andry Tsiavalona

Tsy misy fihafarany mihitsy ny fahafaham-barakan’ity fitondran-dRajoelina madiva hifarana ity, satria miteniteny foana na tsy mahambina izay teny avoaky ny vavany manomboka amin’ny filohan’ny Repobika, mandalo amin’ny Antenimierampirenena, sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta, ka hatrany amin’ireo olomboatendry isan’ambaratonga.

Atomboka amin’ny vava navoakan’ny filohan’ny Repoblika tany Toliara izany, ka nanambarany, fa ho dakana tahaka ny baolina, fihetsika nataony mihitsy, izay tsy mahavita azy rehetra eo amin’ny fitantanana ny Firenena. Rehefa dinihana amin’ny ankapobeny anefa dia izy mihitsy no tsy mahomby, satria amin’ireo velirano teloambinifolo izay narosony ho tanterahiny mandritra ny dimy taona dia tsy misy na iray aza vita hatramin’ny farany na tsy natomboka mihitsy. Raha tany amin’ny renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana izy no niteny io dia iaraha-mahita, fa ny dobom-pilomanosana olympika izay nampanantenainy, fa haorina any an-toerana dia na ny « vato fototra » aza tsy mbola voapetraka. Na tiana na tsy tiana dia fahafam-baraka izany, tsy eo imason’ny vahoaka ihany, fa eo anivon’ny iraisam-pirenena ihany koa.

Mbola tany ihany no noresahany ny « Artémisia » izay namporisihany ny vahoaka hamboly ity fanaovana fanafody ity, satria sady lafo vidy izy ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary azo hasolo ny fambolem-bary izay roa taona vao vokatra, no ambany lavitra ny vidiny raha ampitahaina amin’ny an’ny « Artémisia”. Raha dinihana tsara dia tsy mahavaha ny olan’ny kere izany no tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny Faritra Androy velively. Manalabaraka ny tenany ny filohan’ny Repoblika, noho ny tsy fahaizany hoe volana firy dia vokatra ny vary.

Tany Atsimon’ny Nosy ihany izy no nihantsy izay mety ho kandidà hifaninana aminy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona 2023 ity. Raha dinihana anefa dia tsy ny Filoha Ravalomanana Marc na Rajaonarimampianina Hery velively, no nanaovana ny fihantsiana, satria raha ny fantatra dia tsy nisy nanao haiady izy mirahalahy ireo. Izy moa tompandaka in-dimy tamin’ny « karaté » ka ny mety hifaninana aminy izany dia ny depioten’i Toliara I, Siteny izay mpanao “judo”, niresaka ny maha-tompondaka azy koa avy eo, izay filohan’ny Federasiona Afrikana amin’ity taranja ity. Ny vava tsy ambina toy izany dia manalabaraka satria olona manana toerana azo lazaina, fa faratampony eo amin’ny Firenena no miteniteny foana toy izany.

Tsy ny Firenena velively no afabaraka raha notolorana amboaran’ny tompadaka eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Rajoelina Andry, fa izy no tokony hitsanga-menatra satria Madagasikara no misy vahoaka efa ho sivifolo isan-jaton’ny mponina no tratr’izany toe-javatra izany ary tsy mbola nisy toy izany teto, raha tsy amin’izao fitondrany izao. Izay ny momba ny filohan’ny Repoblika, fa ny filohan’ny Antenimierampirenena koa dia tena afabaraka tamin’ny nanaovan-dRajoelina Andry azy teny amin’ny foiben’ny TGV momba ilay fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka 105. Tsy nasian’ny filohan’ny Repoblika hasiny mihitsy ity filohan’ny Andrim-panjakana ity. Tsy tonga irery tokoa ny fahavoazana (le maheur n’arrive jamais seul), satria dia mbola nisolelaka tamin-dRajoelina Andry indray ity filohana andrim-panjakana ity tany Ambositra. Nitokana zava-bitan’ny fitondrana hono ny filohan’ny Repoblika ka dia nisaoran’ny filohan’ny Antenimierampirenena ary dia tsy nanome hasina ny andrim-panjakana indray Razanamahasoa Christine, ka nisolelaka sy niantso ny filohan’ny TGV hirotsaka kandidà ho filoham-pirenena. Tsy izy irery no afabaraka, fa ireo depiote tsy manome hasina ny andrim-panjakana misy azy koa, ka na ireo vondrona iraisam-pirenena aza dia mihomehy izao fitondrana izao.

Tsy adino ny vava nataon’ny depiote lany tany Antsiranana I, Jocelyne Maxime, izay nihantsy andim-poko tamin’ny depiote namany lany tany Toliara I. Afabaraka satria niala tsiny, hono; tamin’ny fitenenana nataony. Asa aloha raha bedy satria samy IRD ihany ary misy koa ireo depiote hafa nanaradia an’i Siteny Randrianasoloniaiko, kanefa tsy mahafafa na inona na inona ny fialan-tsiny. Raha ny toe-javatra sy ny fihetsiky ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia efa mikorapaka izy ireo, ka azo antoka fa tsy mitsahatra ny fibolisarany, ka ho very hasina tanteraka.