Filoha Ravalomanana sy ny ankohonany Nanamarina ny anarany tao amin’ny fokontany Faravohitra

Helisoa

Taorian’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana namonjy ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tao Menabe, izay natao tao amin’ny renivohitry ny faritra ao Morondava ny faran’ny herin’andro teo, dia tsy niandry ela ny filoha Marc ravalomanana, fa avy hatrany dia nijery ny anarany sy ny ankohonany, tao anatin’ny lisi-pifidianana tao amin’ny fokontany ipetrahany ao Faravohitra. Izany no isan’ny efa nanentanany mafy ombieny ombieny ny TIM sy ny olom-pirenena tany amin’ny toerana izay nandalovany, satria tsy afaka manao n’inon’inona ianao hoy izy rehefa tsy tafiditra ao anaty lisitra ny anaranao, na sefom-pokontany aza.

Hita tao anaty lisitra ny anaran’ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy nisy diso. Fa ny an’i Neny Lalao Ravalomanana no nisy diso dia tsy maintsy napetraka ny fanamarihana hanitsiana azy hoy ny filohan’ny fokontany tao Faravohitra.

Nisy ny toromarika avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, indrindra ho an’ny antoko TIM manerana an’i Madagasikara, mba hanentana ny olona hijery ny anarany. Ireo izay tsy tafiditra ao anaty lisitra dia mbola misy ny fotoana hatramin’ny 31 mey 2023 izao, handehanana any amin’ny fokontany misy ny tsirairay avy.