EDITO 18 Aprily – Fifidianana Filohampirenena ho avy – Mbola baraingo ny fahadiovan’ny fifidianana

Helisoa

Amin’ny 9 novambra ho avy izao ny daty natolotry ny CENI, fa daty tokony hanaovana ny fifidianana filohampirenena izay efa navoaka ho fatam-poko ho fatam-pirenena. Mandritra izany dia efa hita ho may volotratra ny fitondràna, ka mitady ny hevitra hampandriana adrisa ny vahoaka Malagasy, izay efa latsaka lalina ao anaty fahantrana tanteraka.

Ny antoko TIM manokana dia manao fanentanana ny olom-pirenena hiditra ao anaty lisi-pifidianana, satria izay no lalana tokana ahafahana maneho ny safidy amin’ny alalan’ny fifidianana. Ny fahadiovan’ny fifidianana dia mbola baraingo, satria mitady hevitra ny mpitondra ankehitriny mitady ny hevitra rehetra mbola hijanonany eo amin’ny fitondràna. Ao anatin’izany ny fampiasàna ireo olom-panjakana eny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy toy ny prefet, ny distrika, ny sefom-pokontany.

Nanambara sy namaky bantsilana izany ny filoha Marc Ravalomanana, nandritra ny kongresim-paritry ny TIM tany Morondava Menabe, fa misy governora any amin’ny faritra Atsimo mamorona fokontany sy biraom-pifidianana tsy ara-dalàna. Misy ihany koa Madame Simone DGI, tale jeneraly ao amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, mamory ireo sefom-pokontany manerana an’i Madagasikara, manao tetidratsy hangalaram-bato miainga avy amin’ny lisitry ny mpifidy. Hita ihany koa ny fanambatambazana ireo ben’ny tanàna, amin’ny fanomezana moto ho azy ireo. Araka ny re ihany dia toa hizara kit solaire ny mpitondra, hambaboana ny fon’ny olona amin’izao delestazy manadala izao. Dia toy izany ny zavamisy amin’izao ankatoky ny hanaovana ny fifidianana izay marihina fa mbola tsy namoaka daty raikitra ny governemanta, na efa nanolotra izany aza ny CENI.

Ny fifidianana aloha tsy maintsy misy amin’ity taona ity, satria lany ny fotoam-piasanan’ny mpitondra, sao mieritreritra ny mbola hijanona eo ihany, satria efa tena leo ny ankamaroan’ny vahoaka amin’ny fijaliana mahazo azy. Ny rehetra koa efa mailo ka tsy ho voafitaka amin’ny lainga tsara lahatra intsony. Fa na izany aza, mila mailo hatrany, satria hanao izay fara heriny ny mpitondra TGV, satria mbola mizahozaho ihany izy ireo, fa mbola tsy nisy naharesy azy hono!