SOLOMBAVA VERY HASINA ?

Angaha dia mahantra ianareo solombava
No dia mitakizina akaiky mazava?
Mandohalika imason’ny mpanatanteraka,
F’efa ny donto sy tena miveraka?

Tsy aminareo ve ilay fahefana
Ny handidy sy hanapaka izay ho lalàna?
Sa voavidim-bola ianareo maro an’isa,
Ka saribakolin’ny “mpanana” sisa?

Ny mpanapitrisa no re fa mandidy,
Ka indro ianareo fa tsy manan-tsafidy?
Dia manaiky lava sy manangan-tanana,
Izay no porofon’ilay havendranana?

Fitiavam-bola no tena mibahana
Ka dia namidy ve ny fahafahana?
Eny amin’ny fotaka no mitsinkasina,
Fa hay solombava efa toa very hasina?

TSIMIMALO (13-04-23)